Alarobia 14 septambra 2022 — Ny nanandratana ny Hazofijaliana Masina — Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Kristy, satria tamin’ny Hazofijaliana no nanavotanao izao tontolo izao — Evanjely Masina nsoratan'i Masindahy Joany 3, 13-17

Ry kristianina havana ! Ankalazain’ny Eglizy androany ny nanandratana ny hazofijaliana ; ny hazofijaliana dia famantaram-pamonjena ho antsika mpino kristianina ary anisan’ny manamarika ny maha kristianina antsika satria na i Kristy aza dia miteny hoe : "Izay tsy mitondra ny hazofijaliany sy tsy manaraka ahy dia tsy mendrika ny ho mpianatro". Fa maninona moa no tsy maintsy mitondra ny hazofijaliantsika isika ? Mahagaga fa amin’ny ny lakroa fampiasantsika aza dia mbola hita eo i Kristy mifantsika. Io no mapametra-panontaniana ny hafa finoana hoe fa nahoana ny lakroa ampiasaintsika mbola misy an’i Jesoa mifantsika eo nefa voalaza fa i Kristy dia efa nitsangan-ko velona. Famantarana tokoa io hazofijaliana io fa ny fiainantsika azy no tena zava-dehibe. Tamin’ny andron’ny tanora maneran-tany na JMJ natao tao Madrid ny taona 2011 izay nahavory tanora 2 tapitrisa mahery, ny Papa Benoît XVI dia niantso ny tanora mba hibanjina ny lakroa masina lehibe ary mbola hamafisin’ny Papa ankehitriny ny fanaovana izany satria hoy indrindra ny Papa hoe : "Tsy misy famonjena raha tsy amin’ny hazofijaliana". Tsy misy tokoa ny zavatra azo mora ka izany no hanazarana ny tanora sy hiangaviana antsika tsy hanankina ny fiainana amin’ny kisendrasendra sy ny mahafinaritra fotsiny fa hibanjina marina ary hizaka ny tena hazofijaliany mba hitondrana famonjena ho antsika. Vao tamin’ny tapa-bolana lasa teo ny JMJ Mada 10 natao tao Antsirabe, nanamarihan’ireo mpizaika izay. Porofon’ny fitiavan’Andriamanitra antsika moa io hazofijaliana io izay namoizan’i Kristy ny ainy ho fara fitiavana antsika. Andriamanitra mihitsy no naniraka ny Zanany ho fanavotana antsika. Mazava ny tenin’i Jesoa amin’i Nikôdema amin’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity. Io hazofijaliana io mantsy dia tandindon’ilay bibilava varahina tany an’efitra tamin’ny andron’i Moizy izay namonjy olona maro be. Isika koa ankehitriny no entanina mba hibanjina izany hazofijaliana izany fa tsy misy izay famonjena ho antsika raha tsy ao amin’io hazofijaliana io. Tsy mibanjina fe mibanjina fotsiny anefa fa miaina araka izay mifanandrify amin’ny fiainana izany hazofijaliana izany. Ny zava-tsoa tsy azo mora, ny famonjena tsy azo maimaim-poana fa tsy maintsy mila ny fitondrantsika ny hazofijaliantsika raha te ho voavonjy isika sy raha te ho mpianatr’i Jesoa marina, koa alao hery àry !

Ry Andriamanitra Rainay ô! Lahatrao ny namantsihana ny Zanakao Lahitokana hamonjena ny olombelona ; koa enga anie izahay mankato izany mistery izany ety an-tany mba ho mendrika hahazo ny vokatry ny fanavotana any an-danitra. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...