Talata 13 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Madavantaona — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 7, 11-17

Ry kristianina havana ! Raha mahakasika ny tsy fahafahan’ny finoana sy ny fanetren-tena misaraka, isan’ny toetra fototra tokony hananantsika kristianina ny Tenin’Andriamanitra naroson’ny Fiangonana nodinihintsika omaly, andalan-tSoratra Masina aroso ho antsika androany kosa dia maneho ny famindram-pon’Andriamanitra ary ny famindram-po avy amin’Andriamanitra mivantana amintsika olombelona. Raha nahita ity vehivavy nitomany vesaran’ny fahoriana amam-pijaliana, noho ny fahaverezana na ny fahafatesan’ny zanany i Jesoa (fantatsika tsara ny hasarobidin’izany zanaka na hoe sombin’ny aina izany indrindra ny vehivavy) dia nangoraka azy, ary avy hatrany dia niantefa taminy ny fijeriny. Te hanasitrana ny fery naterak’izany fahaverezan’ny fanantenana izany i Jesoa ; ka voalohany indrindra dia hoy Izy tamin-dravehivavy "Aza mitomany". Tsy tantin’i Jesoa mantsy ny mahita olona mitomany ary na isika aza izay olon’ny fo mba mangoraka ihany eo anatrehan’izay mitomany. Taorian’izay i Jesoa vao nampody ny ain’ity maty ity : "Ry zatovo, mandidy anao Aho, mitsangana".

Nitovy tamin’izay nataon’i Jesoa tamin’i Maria Madalena izany : Tonga nampionona azy izay nitomany nahita ny fasana foana i Jesoa (Jereo Jo. 20, 11-18) alohan’ny nanirahany azy hitondra ny Vaovao Mahafaly amin’ny Apôstôly. Mangoraka izay rehetra mijaly sy tra-pahoriana i Jesoa indrindra ireo manankina ny fitokisany aminy. Fihetsika efa asehontsika ihany izany amin’ny alalan’ireny fiombonana amin’ny fahoriana sy fitsapana alahelo ireny : izay ilay fiarahana ory amin’izay ory. Io fangorahana io anefa dia tsy mijanona eo am-bava fotsiny : mitsetsetra sy mivavaka, eny fa na dia efa zava-dehibe aza izany ; fa ny fangorahany dia nanosika azy indrindra hanao asa mivaingana mba hanalefahana na hanafoanana ny fahoriana dia ny fananganana ho velona ilay maty. Eo anatrehan’ny fahafatesana dia aoka isika hino ny fitsanganan-ko velona. Ankehitriny, amin’ny maha mpanara-dia an’i Kristy antsika, dia isika no irahiny hanohy ny asa efa natombony ka anisan’izany ny fanampiana ireo very fanantenana sy mamoy fo, ireo mijaly sy vesaram-pahoriana isan-karazany ka mifihi-dranomaso isan’andro. Misy sehatr’asa sosialy hitsinjovantsika ny namana any amin’ny Fiangonana na Paroasy na Distrika na Diosezy any ka manentana antsika mba hirotsaka sy handray anjara na hanohana ireny asa sosialy ireny mba hifampitsinjovantsika. Eny ! Isika no maso, tanana, sofina ary vavan’i Jesoa ankehitriny. Koa enga anie tsy hody maina na hangahiahy izay rehetra mila fanampiana mifanena amintsika.

Jesoa Tompo ô ! Mangataka aminao izahay, mba omeo fitiavana izahay hanananay fo mangoraka. Enga anie izahay hitondra fahasoavana sy fankaherezana hatraiza hatraiza, ary ho fanantenana lehibe ho anay ny fitsanganan-ko velona. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...