Alatsinainy 12 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 7, 1-10

Ry kristianina havana ! Misy lafin-javatra maro takian’i Jesoa amintsika amin’ny fanehoana sy fiainana ny maha kristianina ary ny fijoroana ho vavolombelona amin’izany. Ity kapiteny voalazan’ny Vaovao Mahafaly androany ity, ankoatra ny finoana lehibe nananany ka nampitolagaga an’i Jesoa ; dia nanaitra ihany koa ny fitondran-tenany eo amin’ny fiaraha-monina. Anisan’ny olona tsongoin’olom-bolo izy satria nihoarany avokoa ireo fiheverana amam-pitsarana an-tendrony mifototra amin’ny fanavakavahana ara-pirazanana, ara-karena, ara-pinoana ka indro izy tsara fihavanana tamin’ny Jody. Izany no isan’ny toe-po amam-panahy ary toe-tsaina takian’ny maha kristianina antsika ka tokony iainantsika. Nihoaran’ity kapiteny ity ny fiheverana amam-pitsarana an-tendrony ny maha miaramila toy ny hoe mahery setra, tsy mahay miantra, tsy miraharaha an’Andriamanitra. Anaporofoany izany ny fisahiranany amin’ity mpiasa an-tranony marary. Tsapan’ity kapiteny ity fa sady mila an’Andriamanitra izy no mila ny hafa koa mba hanampy azy hiatrika ny fiainana izay tsy mahafinaritra mandrakariva. Tsapany fa tsy afaka ny hahavita tena izy na hitoka-monina toy ny nosy, indrindra moa rehefa miala amin’ny tanindrazan’ny tena, na amin’ny toerana mahazatra ny tena ka mandeha na voatery monina any an-toeran-kafa.

Tsy azo lavina araka izany toe-tsainy izany ny fananany finoana izay tsy azo tsapain-tanana nefa lehibe ary nampiaiky an’i Jesoa. Etsy an-danin’izany ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo iraka nilaza tamin’i Jesoa hoe mendrika izany izy satria mpanao asa soa ho an’ny hafa. Azo ambara fa ny tsiambaratelon’ny fisokafany sy ny fifandraisany tamin’Andriamanitra sy tamin’ny olona dia ny fananany fanetren-tena : "Tompo ô, aza dia misahirana toy izao, fa tsy mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafontranoko akory aho…". Mangataka mandrakariva isika ny mba hampitomboany ny finoantsika. Fakan-tahaka ho antsika ity kapiteny ity. Tsy afa-misaraka na oviana na oviana ny finoana sy ny fanetren-tena ary ny fanetren-tena ombam-pinoana mandrakariva no enti-mangataka amin’Andriamanitra mba hanomezany antsika ny fahasoavana sahaza antsika. Izany àry no ataovy.

Jesoa Tompo ô ! Ampitomboy ny finoanay. Ampio izahay mba ho tso-po, halala-tsaina, hahay mandefitra mba hahafahanao mitondra famonjena ho anay ! Amen !

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...