Alahady 11 septambra 2022 — Alahady Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; hamasino amin’ny fahamarinanao izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 15, 1-32

Ry kristianina havana, raha ny foto-kevitra hanentanan’ny Eglizy antsika amin’ity herinandro tsotra faha-24 mandavantaona ity dia hoe "Ray aman-dreny tsy mahafoy anaka Andriamanitra". Izany tokoa ny toetran’Andriamanitra manoloana antsika mpanota. Ray aman-dreny izy tahaka ny ray aman-dreny rehetra, tia sy tsy mahafoy ny naterany na manao ahoana toetran’io zanany io na manao ahoana mety ho ditrany na fahendreny koa aza. Tsy foiny isika, indrindra isika natsangany ho zanany tamin’ny batemy ka fitiavana tsy azo refesina no hasehony amintsika noho izay maha zanany antsika izay. Manaporofo izany ny Tenin’Andriamanitra aroson’ny Eglizy ho antsika amin’ity alahady ity indrindra ny Evanjely henontsika teo. Endrim-piainana iainan’ny mpianakavy na iainan’ny olona no avoitran’i Jesoa anaty fanoharana, entina maneho amintsika izany habean’ny indrafo sy ny fitiavan’Andriamanitra izany : ondry very, dragma very, zaza mpadany niverina. Isika mpanota tapa-kevitra hiverina amin’ny Ray ka mahafaly Azy no entiny mamaly ireo Farisianina sy mpanora-dalàna tsy faly amin’ny fihetsika asehon’i Jesoa miezaka manatona ny mpanota sy mampody ny very. Famonjena manatona antsika mpanota izany fihetsika asehon’i Jesoa izany araka ny teniny hoe tsy tonga hiantso ny marina izy fa mpanota hibebaka. Toy izao ny fisehon’izany fitiavany antsika lehibe ka tsy ahalalany sasatra mamonjy antsika izany araka ny Evanjely henontsika teo :

Voalohany dia tsy mahalala sasatra Andriamanitra fa miezaka andro aman’alina mitady ny very. Raha misy mania ny zanany dia tsy avelany ho very any fa tadiaviny andro aman’alina amin’ny fomba rehetra. Tsarovy fa malahelo, ary tena malahelo Andriamanitra raha mania na manota isika ka izay no mahatonga azy mitady antsika hiverina amin’ny fomba maro araka ny ambara foana ombieny ombieny hoe tsy tiany hisy ho very isika.

Faharoa manaporofo izany fitiavany antsika izany dia manaja malalaka ny safidintsika Izy. Voalazantsika teo hoe malahelo Izy raha mitsipaka izany fitiavany izany isika kanefa kosa Izy tsy manakana izay tiantsika hatao. Ilay fihetsika nasehony tamin’ilay zandriny tamin’ny fanoharana nataon’i Jesoa tamin’ny Evanjely teo no manaporofo izany. Na tsy mety aza ny fangatahany dia nekeny. Eo no mila hitandremantsika satria indraindray isika dia manitsinitsy ny "conscience" tsika fotsiny na dia hita izao aza fa tsy mety dia mody tsorina hoe Andriamanitra iray ihany... nefa ianao natao batemy sy nandray an’io karazam-pahasoavana rehetra io.

Fahatelo dia misy ilay fitenenana hoe "izay tia mahandry". Maharitra miandry ny hiverenan’ny mpanota aminy Andriamanitra. Araka ny voalaza teo ambony hoe tsy mitandro hasasarana izy, dia tsy sasatra koa izy miandry ny fiverenan’ireo mania. Raha manota isika dia manalavitra ny tavan’Andriamanitra sy mitsipaka ny fitivany fa tsy manary antsika izy. Tiany foana isika ary miandry antsika Izy ka rehefa miverina isika, Izy indray aza no mitsena antsika.

Fahefatra dia porofon’ny fitiavana ny hafaliana. Misy hafaliana lehibe any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka. Faly Andriamanitra rehefa miverina amin’izay fitiavany izay isika mpanota. Na isika aza ataoko fa mahatsapa hoe maivana ary faly rehefa mahazo ny indrafony koa mainka moa fa Izy izay Tompon’ny famindram-po tsy misy fetra. Andramo, zahao ary araraoty àry izany halehiben’ny famindram-po sy fitiavan’Andriamanitra izany.

Jesoa ô! Asehonao anay amin’ny fampianaranao ny tena fitiavan’ny Ray. Fitia tsy misy fetra, tsy mitanisa andro ary maimaim-poana. Ampio izahay zandrinao hahay hanararaotra izany fitiavana izany ary hampanjaka izany eo amin’ny manodidina anay. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...