Zoma 26 aogositra 2022 — Herinandro faha iraika amby roapolo mandavantaona — Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 25, 1-13

Aoka ho lazaina dieny mialoha fa fanoharana ity lazain’i Jesoa amintsika ity, mahakasika ny fanjakan’ny lanitra oharina amn’ireo virjiny folo miandry ny mpampakatra sy ny ampakarina. Ny dimy tamin’izy ireo hendry, satria nitondra fanala sy solika tamin’ny fitoeran-tsolika fa ny dimy adala kosa, na lefaka hoy ny sasany, mba nitondra fanala ihany, fa tsy nitondra solika. Ny virjiny eto maneho antsika kristianina nasandratra tamin’ny Batemy ka tonga madio mangatsakatsaka miandry ny hiverenan’Izy Tompo, fa rava tsikelikely noho ny fahotana ka tonga maloto aza, takosina hadalana, difotry ny ditra. Nandrehitra jiro tamin’ny jiron’ny paka ny mpiantoka antsika tamin’ny Batemintsika hanehoana fa tokony ho fahazavana toa azy Kristy fahazavana isika. Marika na famantarana ivelany izany fa ny fiainam-pinoantsika mihitsy no tsara mazava toa an’iny jiro iny ka tsy avela hitsipozipozy na ho fatin’ny hafa na hamono tena fa hirehitra tsara aza ka hanazava ny tena sy ny manodidina mandram-pahatongan’izy Kristy, Ilay Mpampakatra hitsena antsika. Tsy ho fantatra mialoha anefa izany fiverenany izany ka mila vonona mandrakariva isika. Aoka ho jiro mirehitra no ho tratrany fa tsy sanatria efa maty. Isan’ny maha hendry antsika isika mitondra solika fa tsy fanala na jiro ihany. Io tsy misy hoe misondro-bidy na miakatra na midina ny vidin-tsolika ka lasa fialan-tsiny ho antsika satria ny fandraisana ireo sakramenta hafa azo raisina sy irosoana dia isan’ny solika tsara, ny fiainam-bavaka, tsy alahady ihany fa isan’andro mihitsy aza mbola isany koa, ny firotsahana amin’ny fikambanana masina sy vaomieran’asa, mbola isany koa, ny fandraisana andraikitra ato amin’ny Eglizy tsy azo hadinoina, ny fanaovana fiatahana masina mbola fanampiny, ny fiainana ny didim-pitiavana sy ny indra fo mbola manginy koa. Solika avokoa izy ireny. Tsy voatery izy rehetra ireny no atao ho solika avokoa fa afaka misafidy isika. Izao anefa : toy ny fefiloha io ka ny manatevina ihany no tsara. Misy amin’izy ireo azo ampiarahana tsara fa tsy mety koa ny mitety azy rehetra ka lasa be tsy andraofana fotsiny nefa tsy araka akory ; miseho izany rehefa misy fotoana mifanindry ka tsy hita izay hombana sy haleha amin’ireo. Izany hoe tsy ampy ny vita batemy fotsiny fa irosoana ireo mba ho mpikatroka mafana fo isika fa tsy ho kristianina tsotra fotsiny mangatsia-po ka malain-daina amin’izay atao, indrindra ato amin’ny Eglizy.

Hadalana ny fitondrana fanala kanefa tsy miaraka amin’ny solika, araka ny voalazan’i Kristy eto. Koa aoka tsy ho isika no ho tratran’izany fa hifampahatsiahy sy hifanentana hatrany. Efa mazava izao ny anton-dia ka aoka ho vonona mandrakariva. Koa raha sendra miadaladala indraindray noho ny antony samihafa dia aoka hitady solika haingana mba ho hendry amin’izay ; sao taraiky amin’izany isika ka ho tratran’ny ilazain’i Jesoa hoe : "Lazaiko marina aminareo fa tsy fantatro akory ianareo". Amin’izay vao tena ho voa mafy, fa hiala maina sy hangasihasy. Ambonin’izany, ny fankanesana amin’ny fanjakan’ny lanitra raha mbola mivezika atsy sy aroa dia ho taraiky eny an-dalana ka tsy ho tody fa aoka izay lalana nizorana ho tohizana hatramin’ny farany, ka tsy hivilivily ankavia na ankavanana. Mazava ny voalaza eto ho antsika mianakavy : "Koa miambena ianareo, fa samy tsy fantatrareo na ny andro na ny ora."

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...