Alakamisy 25 aogositra 2022 — Herinandro faha iraika amby roapolo mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 24, 42-51

Mazava ny tenin’i Jesoa amintsika eto : "miambena" fa tsy fantatra izay fotoana hiaviany. Aoka ho vonona mandrakariva amin’ny hiverenany. Koa raha mpiambina aoka tsy hatoritory amin’ny ara-pinoana fa sao amin’iny indrindra no hahatongavan’Izy Tompo. Raha ho an’ny mpiandry tanàna sy vohitra mety handreraka ny miambina satria tsy matory fa mifanohitra amin’izany kosa raha momba ny finoana ; vao mainka aza mihasalama izy. Raha tsorina dia hoe akanjo inona re no ho tratrany rehefa miverina izy : akanjo mandry sa aron’akanjo sa tablier satria miasa, akanjo matevina sa manify, eny an-tokontany sa any an-trano sa eny an-dalam-be, eny am-pianarana sa eny am-pilalaovana sa any am-piangonana… Tsy misy afaka mamaritra mialoha isika fa Izy ihany no mahalala ny ora sy fotoana amin’izany. Araka izany, aoka tsy hanjehy ny andro ho lava isika na hanao izay danin’ny kibo fa ho vonona sy hanampo izay hahatongavany na amin’ny alina na antoandro, na maneno akoho na mitatao vovonana, na folakandro na maizim-bava vilany. Tsy mpangalatra sanatria Izy no ho avy fa Tompo, ka aoka tsy hana-tahotra ny hiverenany fa ho vonona kosa amin’izany fotoana tsara izany.

Ho antsika mampiasa solosaina mahalala tsara fa tsy maintsy "enregistrés" avokoa izay atao rehetra sao tratran’ny virus na tapaka tampoka ny jiro vokatry ny "délestage" ka mampiasa fitaovana mifanaraka an’izany. Toy izany koa ho an’izay mitondra fiara : tsy maintsy jerena alohan’ny hiaingana sao any an-dalana any vao mitranga ny loza na ny tsy fahatomombanana ka hidiran’atambo koa. Aleo mailo mandrakariva amin’izay atao rehetra. Izany ny mpanompo mahatoky sy hendry. Fa izany ve isika ? Fa mpanompo ratsy fanahy kosa ny mifanohitra amin’izany ka ilaozana miliba sy manampatra ny filàna, tsy mandraharaha izay hiverenan’ny tompony, manao ampitso ampitso lava ; ka ho tonga tampoka ny tompon’izany mpanompo ratsy izany ka horoahiny izy ary haraikiny ho any amin’ny mpihatsaravelatsihy ny anjarany : any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. Loza ! Aza misy amintsika anie ny toy izany.

Izao koa : aza ny tahotry ny ho very fotsiny no anaovana an’izany, izany hoe : aza atao be loatra ny "sao dia" amin’ny fiainana fa manjary tsy mampandroso izany. Raha izany mantsy tsy hivoaka ny trano mihitsy isika sao maty any. Fa aoka hiambina tsara fotsiny, ary atao am-pitiavana ny zavatra rehetra dia ho resy izany tahotra izany ka ho vonona sy hanampo izay fotoana tsara iverenan’Izy Tompo. Alao hery mandrakariva e !

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...