Alarobia 24 aogositra 2022 — Masindahy Barthélemy, Apôstôly — Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, ianao no Mpanjakan’i Israely — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 45-51

Mankalaza ny fetin’i Masindahy Barthélémy Apôstôly isika amin’ity andro ity. Tsara ho marihina eto am-piandohana aloha fa iray ihany na i Barthélémy na i Nanatanely. Koa naroso tamintsika teo ny fomba niantsoana azy. Nifanena tamin’i Filipo izy ka rehefa nilazany ny fahatanterahan’ny lalàna sy ny mpaminany ao amin’i Jesoa dia nandeha nizaha tokoa. Voalohany aloha : tsara ny mifampitaona mankany amin’i Jesoa fa tsy mifandrirotra na mifanosika hiverina. Manaraka izany, zava-dehibe ny milaza amin’ny namana izay inoana satria resy lahatra ; izany hoe : zaraina amin’ny hafa ny finoana iainana, avy eo mitaona azy ho eo amin’i Jesoa. Adidintsika tsirairay avy vita Batemy izany ka mila mifanampy sy mifanohana hatrany amin’ny fanatanterahana izany. Ankoatra izany, tsy olon-kafa na zavattra hafa no fahatanterahan’ny lalàna sy ny mpaminany fa i Jesoa Kristy irery ihany, ka nahoana no mbola misalasala na mitady hafa isarangotana ? Ampy antsika re Izy e !

Azo lazaina koa fa i Jesoa no tia antsika voalohany, satria araka ny Evanjely eto hoe : "Nony nahita an’i Natanaely tamy nanatona Azy i Jesoa, dia nilaza azy hoe : ‘Io no tena Israelita tokoa, izay tsy misy fitaka.’" Tsy mbola niteny akory i Natanaely dia efa izany no zava-nitranga. Mahalala antsika Izy Andriamanitra fa isika no tsy te hahalala Azy matetika. Tsy misy zava-miafina eo anatrehany fa miharihary sy mihanjahanaja avokoa, koa asakasatsika manafina sy tsy manatona Azy. Manaraka izany, lazain’i Jesoa fa i Natanaely no tena Israelita tsy misy fitaka, fa isika inona ? Moa ve tsy misy fitaka tokoa sa longoa mitoto-bozaka ny fiainantsika manontolo ? I Satàna no raiben’ny lainga ka aza manaiky ho taranany fa efa nasandratra ho zanak’Andriamanitra isika tamin’ny Batemy, ka meteza ho tsy misy fitaka tokoa. Ny lainga mantsy toy ny donga takona fa mahia mifanatrika. Tena ratsy izy io ka ny mpandainga aza tsy tia handaingana.

Farany, ny fiekem-pinoana nasehon’i Natanaely teo anatrehan’izany rehetra izany, hoy izy : "Raby ô, Ianao no zanak’Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan’i Israely." Aiza ho aiza amin’izany ny antsika ? Misy efa firy taona nahavitana batemy fa mbola marisarisa ihany lasa vilian-tsahona sisa ny Batemy noraisina ka malaza tsy hihinanana. Ao koa ny efa niroso tamin’ireo sakramenta isan-karazany kanefa ny fiainana azy tsy hita misongadina akory fa toa volana an-tenda fotsiny. Eo ihany koa ireo mivavaka alahady fa mangalatra akoho alatsinainy, ao ireo miditra amin’ny fikambanana sy vaomieran’asa misy ao amin’ny Eglizy kanefa ny fiainana ara-panahy tsizarizary. Aoka hanaovana ezaka ny fiainana ny finoana noraisina fa tsy misy tara izany ato amin’ny Eglizy. I Masindahy Barthelemy, ankalazaintsika izao anie, hanampy antsika ho tsy misy fitaka tokoa sy hiaina bebe kokoa ny finoana noraisina.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...