Alatsinainy 22 aogositra 2022 — Herinandro faha iraika amby roapolo mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 23, 13-22

Kianin’i Jesoa mafy eto ny fanaon’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna mpihatsaravelatsihy. Tsy izy ireo ihany anefa no mety ho voan’izany fa na isika ihany koa aza ka mila mitandrina tsara isika. Izy ireny mantsy matetika toa joko tsoriaka mahasambo-kary, toa manao kobaka am-bava sy volana hatenda na koa basy sy tafondro vava ho an’ny sasany fa tsy misy apoaka akory amin’ny atao. Eto àry izao, dia izy ireny mibahambahana ny fanjakan’ny lanitra ka izy tsy miditra ny olona koa bahanany tsy hiditra any. Hoy i Jesoa hoe : "Hidianareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra". Sao isika koa no toy izany eo amin’ny andraikitra tanantsika ao amin’ny Eglizy ?

Manaraka izany, ireny mpanao fivavahana lavareny ireny : misy mantsy maraina mandrapaharivan’ny andro ao ihany. Tsy ny vavaka akory no ratsy fa raha lasa fitaovana hitiavan-tena samirery, hampitombo ny ambain-dainy amin’izay hanana izy no mampidi-doza ka lazain’i Jesoa mazava eto hoe : "Entinareo mihinana ny fananan’ny mpitondratena ; izany no vao mainka hahamafimafy kokoa ny fanamelohana anareo". Isika moa izao mahantra ka mora voarebirebin’izatsy sy zaroa. Tsy kely lalana ny ratsy ka aoka isika hitandrina tsara fa na any amin’ny fivavahana aza mbola mahita hirika hidirana izy.

Eo koa ny fianianana ankoatran’ireo voatanisa ireo. Misy tsy mety mihitsy raha tsy ampiany fianianana ny teniny hanamarinany azy. Ny an’ny sasany aza moa ampiana teny ratsy kely na be hanamafisana fa marina ny lazaina : ny ratsy indray no hanohanana ny tsara, dia mety va re izany ? Fiarovan-tena anefa matetika no betsaka amin’ireny. Fihatsarambelatsihy avokoa izany rehetra izany ka tsara ialàna. Misy mampidi-kizo ny hafa fotsiny ka faly amin’ny fahavoazan’ny hafa. Tsy mety anefa izany. Izao koa no tsarovy : misy mpanakiana eo amin’ny fiainana fa tsy mahatanty kianina. Mila ahitsy avokoa izany kilema izany, sy ny maro hafa…

Mbola azo raisina tsirairay ireo kiana nataon’i Jesoa ireo hanampy antsika handinin-tena fa ampy aloha hatreo. Koa aza ny fitiavan-tenantsika tafahoatra no anararaotam-pahefana eo amin’ny sehatra misy antsika ka ampiasana izao sy izao hahabe voho antsika ka hireharehana fa mahomby isika, eny hatramin’ny fivavahana aza ! Mpihatsaravelatsihy isika amin’izany ka mila mibebaka, toa Farisianina sy mpanora-dalàna amin’ny endriny vaovao ka mila miova. "Adala sy jamba" isika, araka ny Evanjely teo, matetika ka aoka ho hendry sy hahiratra amin’izay. Aza miandry tenenina vao hiova fa raha mbola misy koa andro aoka hibebaka marina tokoa. I Masina Maria, mpanjakavavy, anie, amin’izao fahatsiarovana azy izao, ilay tsy nahay nihatsaravelatsihy fa tsotra tokoa, hanampy antsika hiala amin’izany.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...