Alakamisy 18 aogositra 2022 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 22, 1-14

Fanoharana ny amin’ilay fanasana fampakaram-bandy indray no lesona tian’i Jesoa Kristy hiainantsika manomboka anio. Lesona roa lehibe no azo tsoahina amin’izany ka ny voalohany amin’izany dia izao "natao ho an’olon-drehetra ny famonjena" ; ny faharoa manaraka an’izany kosa fanomezan’Andriamanitra maimaim-poana ho antsika olombelona izany famonjena izany ka mila safidy matotra avy amintsika tsirairay avy ; izany hoe mitaky ny fandraisana an-tànana na ny fandraisana andraikitra manoloana an’izany.

Nisahirana ity mpanjaka nandefa ireo mpanompony hitady hatraiza hatraiza ireo nasaina ho amin’ny fampakaram-bady satria efa vonona ny rehetra. Notsongaina manokana ireo nasaina ary efa nampandresina mialoha ilay andron’ny fampakaram-bady sy ny toerana.

Fandavana no nasetrin’iretsy olona nasaina ; ao ny milaza ny tsy fahafahany satria efa nanana fandaharam-potoany izy fa nisy tamin’izy ireo kosa tsy vitan’ny hoe tsy ho tonga fa mbola nampitondra faisana ireo mpanompo nirahana tany amin’izy ireo. Tsapa noho izany fa tsy vitan’ny hoe tsy niraharaha ny fanasana iretsy nasaina fa nandà ihany koa ny lanjan’ilay fampakaram-bady ho fiombonan’aina amin’ilay mpanjaka naniry fatratra ny hahatongavan’izy ireo. Nisafidy ny hitokan-tena ho irery izy ireo fa tsy te-hihaona sy hifaly amin’ilay mpanjaka.

Tsy kivy anefa ity mpanjaka fa sady tiany hatao ny fampakaram-bady no tiany hozaraina amin’ny hafa izany hafaliana izany ka naniraka ireo mpanompony izy hanasa izay olona tojo azy ireo eny an-dàlana. Nahafeno ny efitrano fanasana izany fihetsika natao izany fa saingy nisy amin’ireo nasaina no tsy nitondra akanjo mendrika amin’ny fanasana akory ; izany hoe tsy nitondra ilay akanjo fibebahana sy ilay famantarana ahafantarana fa mponin’ny fanjakan’Andriamanitra izy ireo. Mba niezaka hahafantatra ny anton’izany ny mpanjaka fa ry zareo antonaniana kosa tsy nanan-kavaly akory ka voatery nosamborina sy navoaka ny trano fanasana izy ireo.

Toy izao àry ny lesona azo tsoahana avy amin’izany fanoharana izany : mila manoina ny antson’Andriamanitra amin’ny fiombonana aminy isika raha te-hahatsapa fahasambarana dieny ety an-tany, kanefa mila manana finoana marina sy matotra isika sy mila vonona ny hivalo rehefa mahatsapa fa nanao zavatra tsy nifanaraka tamin’ny sitrapony, koa manana anjara toerana amin’izany ny sakramentan’ny fampihavanana.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...