Talata 16 aogositra 2022 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 19, 23-30

Mety ho lasa sakana tsy hahafahana hiditra velively any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ny vola aman-karena. Izany no fihetsika nasehon’ilay zatovo mpanankarena voalaza teo alohan’ity Evanjely novakiana ho antsika anio ity. Nalahelo fatratra izy ary naleony tsy nanaraka an’i Kristy toy izay hahafoy an’ity harena maminy ity, na hoe naleony tsy ho kristianina toy izay hisaraka amin’ny vola aman-karena izay nimatematesany aoka izany ; naleony tsy mivavaka toy izay tsy hiasa alahady ahazoam-bola.

Tsara anefa ny manamarika etoana fa tsy manameloka velively ny fitadiavam-bola sy harena i Jesoa eto na koa manameloka ireo olona tsy maintsy miasa ny andro alahady noho ny adidy tsy maintsy hatao (dokotera, mpitandro filaminana., fiandrasana marary…) fa lazainy kosa fa sarotra ho an’ny olona mifikitra be amin’ny harena ny hiditra amin’ny fiainana mandrakizay satria ao amin’ny vola aman-karena no ametrahany ny fitokisany manontolo, ny vola aman-karena no heveriny hiantoka ny fiainany eto an-tany ; izany hoe lasa ireo no misolo ny toeran’Andriamanitra, ka zary lasa lohalaharana sy vaindohan-draharaha ary ivon’ny fiainany. Sarotra amin’izany olona izany no hametraka an’Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainany fa zary lasa ambin-javatra fotsiny Andriamanitra, atao filana rehefa sahirana. Mety hihevitra ihany koa izy fa tsy ilaina intsony ny fahasoavan’Andriamanitra ho amin’ny famonjena fa heveriny fa raha vokatry ny ezaka nataony no nahazoany ny hareny dia toy izany koa no hahazoany ny famonjena.

Manampy antsika rehetra hahay hikatsaka fivelomana araka ny sitrapon’Andriamanitra ity Evanjely anio ity. Manana adidy isika amin’ny famelomana ny ankohonantsika fa aza adinoina anefa fa tsy afaka hisolo ny toeran’Andriamanitra velively ny zavatra tadiavintsika eto an-tany satria mandalo sy miserana ireny.

Farany, tsy tokony hanakana antsika tsy hiditra any an-danitra velively ny fitadiavantsika fivelomana eto an-tany koa matoa tonga amin’izany isika dia satria nametraka an’Andriamanitra ho anjorom-bala. Vokatr’izany tsy mifanaraka amin’Andriamanitra intsony ny zavatra ilaintsika eto an-tany fa lasa mitady izay haha-mpanankarena fotsiny amin’ny fomba maro samihafa toy ny fanaovana takalon’aina, halatra taolam-paty, halatra taovan’olombelona, fangalarana olona sy lakolosy isan-karazany, halatra mizàna, fisolokiana isan-karazany, ny kolokoly sy risoriso ihany koa...

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...