Zoma 5 aogositra 2022 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy mahalala Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 16, 24-28
Raha misy te hanaraka ahy aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany, ka hanraka ahy. Mampitondra antsika ny hazofijaliana i Jesoa, ka Ny hazofijalina mavesatra hanasan’i Jesoa Kristy antitsika dia ny fahaizantsika mandà ny sitrapontsika ka hikatsaka hantanteraka ny sitrapon’Andriamanitra Ray. Tsy mora anefa ny mampandefitra ny sitrapontsika raha tsy hiainana ao anatin’ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fitiavana ny famonjena ny fanahintsika sy ny an’ny hafa. Mampandefitra ny zavatra rehetra am-pitiavana tokoa isika raha te hivelona ny sitrapon’Andriamanitra, mandefitra amin’ny fahafinaretana mandalo. Tandremo ny fametrahana ny zavatry ny tany ho laharam-pahamehana eo amin’ny fiainantsika ka manadino an’Andriamanitra, na mety ho variana fotsiny amin’ny fitiavan-tena ka manadino ny manodidina.
Nohamafisin’i Jesoa taminy teniny teo àry, fa izay mahatanteraka ireo fanomanana ampanaovin’i Jesoa : "izay rehetra te hanara-dia Azy, aoka izy handa ny tenany, aoka izy hitondra ny hazofijaliana", izay manao ireo amim-pitiavana no hahazo ilay anjara tsara efa voavoatra, dia ny fiainana mandrakizay. Angataho mandrakariva ao anatiny vavaka àry ny fahasoavany mba hanampy antsika hanala ireo ratsy rehetra tsy manampy antsika hiaina ny teniny ka hahafahantsika ihany koa mampitsimoka ny tsara rehetra ao anatintsika ka hizotra marina amin’ny fanatanterahana sitrapon’Andriamanitra.