Alahady 31 jolay 2022 — Alahady fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Miambena ary mivonona ianareo: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona — Evanjely Masina nosoraran'i Masindahy Lioka 12, 13-21

Ry adala, anio alina ihany dia halana aminao ny fanahinao, ka ho an’iza ary izay novorinao ? Mampianatra antsika eto i Jesoa fa isika tsirairay avy dia natao ho an’Andriamanitra, ary ny vola aman-karena dia tsy natao hotompoina fa entina hanompo an’Andriamanitra sy ny olombelona mpiara-miaina aminao.

Misarika ny saintsika i Jesoa tsy hifikitra amin’ny haren’ny tany, satria indraindray koa isika voafatotry ny haren’ny tany ny fontsika, tahaka ity ilay lehilehy nanana ny ampy ity : "Ry fanahiko, manam-pananana be ampy ho amin’ny taona maro ianao ka miala sasatra, mihinana, misotroa, manaova fihinanambe". Nirona tany amin’ny harena mandalo ihany ny fo am-panahiny ka nanadino tanteraka ny harena maharitra, dia ny fiaraha-miaina amin’Andriamanitra, satria natao ho azy irery ihany isika fa tsy natao ho an’ny vola. Ny vola dia ilaina tokoa hanasoavana antsika mba hahamendrika maha zanak’Andriamanitra.

Isika rehetra no hampitandremin’i Jesoa eto, ary an’isany teniny ihany ko ny hoe "izay misy ny harenareo no misy fonareo… Miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy harafesina na kalalao manimba" (Mt 6, 20-21). Koa mifampivavaha àry isika, mba ho heniky ny fahasoavan’Andriamanitra ka tsy hifikitra na hiraiki-po amin’ny vola na amin’ny harena ny fontsika, na hanao azy ireny ho toy ny sampy ivavahana mihitsy aza, fa tokony mba hahay hampiasa azy ireny ho entina hanasoavana antsika sy ny manodidina antsika.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...