Talata 26 jolay 2022 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny fahamarinana ny Ray; mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 36-43

Ry havana, tombony ananan’ny Apôstôly ny fahalalana izay ao am-pon’i Jesoa. Afaka nanontany izay rehetra tiany hambara. Ho antsika izany dia hoe fahasoavana sy famonjena ny fifankazarana amin’Andriamanitra satria afaka manontany mandrakariva hoe "Tompo ô, inona no tianao hataoko". Izany no tombony amin’ny fiainana kristianina : mahalala tsikelikely ny sitrapon’Andriamanitra ; mahalala ny ho avy, mahatsinjo izay hiafarana. Tsy fahalalana ara-tsaina fotsiny anefa fa fandraisana izany ho fiainan’ny tena.

Mitombo ankehitriny ny fandavana izany hoe fitsarana farany, ny lanitra sy ny fiainana mandrakizay. Heverin’ny sasany hoe tapitra eto an-tany ny fiainana. Hevitry ny demony fahavalo moa izany, hevitra manao izay hahavery ny olona.

Rehefa miteny momba ny afobe ny Evanjely na ny Eglizy dia antso fibebahana no antony itenenany izany, maika ny fibebahana, ho avy i Kristy hitsara ny velona sy ny maty ka hiharihary amin’izay ny anjaran’ny tsirairay araka ny nataony avy. Tsy noharian’Andriamanitra ho very akory isika fa nohariany hahazo ny famonjena. Ndeha hampamokarina ny voa nafafiny ao am-pontsika. Amen.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...