Alahady 24 jolay 2022 — Alahady fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana hamasino amin’ny fahamarinanao izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 1-13

[audio src="/images/sounds/evj-20220724.mp3" background="#0099ff"

Ry kristianina havana, entanin’ny Litorjia isika amin’ity alahady ity hoe "izay mivavaka tsara, mivavaka am-pitokiana sy faharetana". Fandrentsika matetika i Jesoa mivavaka, ary ny maha kristianina ny kristianina dia ny fitiavam-bavaka. Ny mivavaka dia hoe maniry lalina an’Andriamanitra ka miantso azy ; mamboraka aminy ny fiainana manontolo. Maneho fitokiana an’Andriamanitra. Tsy mangataka fiainana mora fa mangataka hery, mitalaho haharitra, hahatozo hatramin’ny farany ary matoky fa Ray tia tsy mahafoy zanaka Andriamanitra.

Vavaka ho an’ny hafa fa tsy tia tena : io ilay fanoharana nataon’i Jesoa teo, olona nangataka mofo ho an’ny sakaizany fa tsy ho azy. Amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra dia afaka mivavaka. Ireo zokintsika olomasina ireo dia nampianatra antsika izany avokoa hoe "aza mifidy toerana sy fotoana ivavahana". Izany no hahatsapana fa tena mangetaheta tokoa isika. Tsy hoe noho isika mahay sy mendrika anefa no hivalian’ny vavaka fa ny fitiavan’Andriamanitra lehibe dia lehibe. Ilay sakaiza, na dia sorena aza, nanome izay nilain’ny namany nanao lemozy, mainka ve fa Andriamanitra mampirisika hivavaka ? Ny olombelona mpanota aza mahalala manome zava-tsoa ny zanany, ka mainka ve ny Ray tia tsy mahafoy ? Tsy mamitaka izany Andriamanitra fa izay mangataka no mahazo, izay mitady no mahita, izay mandondona no vohaina.

Tari-dalana io vavaka nampianarin’ny Tompo io ; modelin’ny vavaka ; fa ny tena ilaina dia hoe mahay miteny ny fiainany ny olona tsirairay ; tsy mianina fotsiny amin’ny vavaka tsianjery fa mamboraka ny ao am-po, miteny amin’ny anaran’ny tena… Ndeha hangataka ny Fanahy fitiavam-bavaka, mba handrehitra ao am-pontsika vavaka ankasitrahan’ny Ray. Ny Fanahy Masina no fanomezana tsara indrindra ka ny Fanahy Masina no ndeha hangatahina hanamasina antsika ho mendrika ny Ray. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...