Alahady 17 jolay 2022 — Alahady fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Sokafy ny fonay, ry Tompo Andriamanitra, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 38-42

Mba ahafahana manara-dia an’i Kristy dia tsy maintsy mampiantrano azy, mila mitoetra eo an-tongony mba hiahino ny fampianarany. I Jesoa izay nilaza fa i Maria no nisafidy ny anjara tsara indrindra izay tsy halana aminy dia tsy manambany an’i Marta akory.

Mety hisy amintsika mantsy ho tratran’ny fakam-panahy. Ilaina mandrakariva ny mampifandrindra ny vavaka sy ny soa, indrindra izay asa. Izay te ho mpianatra dia tsy maintsy mandray baiko avy amin’ny mpampianatra.

Tsy mahazo kamo miasa sy kamo mivavaka ; tsy ampy ny miasa fotsiny nefa tsy mivavaka, ary tsy ampy ny mivavaka fa tsy miasa, hoy indrindra i Masindahy Jakoba. Ireo mpitory ny tenin’Andriamanitra dia tsy maintsy mitondra vatsy avy any amin’ny tompon’ny teny ; manokana fotoana ivavahana, handinihana ny Tenin’Andriamanitra, handalinana azy mba hanaiky hovany hatrany anaty fo.

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...