Alarobia 6 jolay 2022 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Efa nataoko hoe Sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 1-7

Porofoin'i Matio àry eto, fa tsy miasa irery i Kristy. Antsoiny sy omeny fahefana ny mpianany roa ambin'ny folo lahy handroaka fanahy maloto sy hanasitrana ny aretina mbamin'ny rofy rehetra, hitondra famonjena ho an'ny olona. Ny dikan'ny isa roa ambin'ny folo eto dia manambara fahafenoana : feno ny fahefana sy ny iraka omeny an'ireo mpianany. Mampiseho ihany koa ny foko roa ambin'ny folon'i Israely, izay midika ho "manerana ny tany", izany hoe, torina eran'izao tontolo izao ny fanjakan'ny lanitra ; eny fa na i Jodasy aza dia nahazo iraka mitovy amin'ny rehetra.

Noraisin'i Kristy ny fahasahiana hametraka iraka sy hiara-miasa amintsika olombelona, hametraka ny fitokisany amintsika olombelona. Midika izany fa sarobidy amin'i Kristy isika, koa mivavaha àry, ho an'ireo nomena andraikitra manokana amin'izany fanatanterahana ny iraka izany, indrindra fa ato amin'ny Fiangonana, mba ho feno fahatokisana an'Andriamanitra izy ireo ka hanatontosa an-tsakany sy an-davany ary amim-pahamarinana sy fitiavana izay asa manandrify azy avy.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...