Alakamisy 23 jona 2022 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Ny Tenin’Andriamanitra dia maharitra mandrakizay; ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorìna taminareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 21-29

Ho antsika kristianina dia ny fanekena azy Andriamanitra no tena zava-dehibe. Mino Azy isika mba hanompo Azy. Noho izany, tsy ilaina ny kobaka am-bava izay mijanona ho teny fotsiny fa tsy misy fanatanterahana. Andriamanitra dia mijery izay atao fa tsy izay tenenina.

Mampianatra antsika àry eto i Jesoa, amin’ny fanoharana izay ataony mba hanorina trano eo ambony vatolampy. Izany hoe, mila mitandrina sy manatanteraka ny fampianarana izay nataony. Mitaky ezaka isan’andro izany ary mila fibebahana mandrakariva mba hadio fo. Ny tanjona mantsy dia ny mba ho mafy orina ny finoantsika ary na inona na inona sedra hihatra aminy dia handalo fotsiny izany. Mila halavirina kosa àry, araka izany, ny fanoharana izay nataony, dia ny manorina ny trano eo ambony fasika. Izany hoe, ireo izay miahino fotsiny ny Tenin’Andriamanitra ka manadino izany avy eo satria tsy mba manana eritreritra akory ny hanatanteraka azy. Hany ka rehefa tonga ny sedra dia tojo fahakiviana ka latsaka ao anatin’ny fahotana.

Tia antsika i Jesoa, ary tiany isika mba hiaina ao amin’ny Fitiavany. Fitiavana izay mitarika antsika hanatanteraka ny sitrapon’ny Rainy.

Tompo ô, ataovy mafy orina hatrany ny finoanay mba hahafahanay manatanteraka ny sitrapon’ny Rainao.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...