Sabotsy 18 jona 2022 — Herinandro faha iraika ambin'ny folo mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 24-34

Mamintina izay rehetra nifampizarana tamintsika nandritra ity herinandro ity, io tenin'i Kristy tamin'ny Evanjely teo io : "Aza manahy ny ho ampitso ianareo". Raha mandray sy mametraka azy eo amin'ny fiainantsika isika ary manatanteraka sy miaina izay tokony hataontsika aminy, dia hatoky azy tanteraka ary hanantena mandrakariva ny fitiavany.

Tsy mamela izay nohariany ho faty momoka sy hijaly foana eny Andriamanitra. Zanaka isika, ambony lavitra sy sarobidy noho ny voromanidina sy ny zava-maniry eny an-tsaha, ary voarakitra ao am-pony, tsy hadinony velively, fantany izay mahasoa sy ilaintsika.

Tiavo izy ary itokio tanteraka dia tsy ho very anjara amin'ny fahasoavany isika.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...