Talata 04 febroary 2020 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 5, 21-43 — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo.

0 : 00

Amin’ny alalan’ireto fanasitranana roa ireto no anehoan’i Md Marka amintsika ny maha “Mpamonjy” an’i Jesoa. Tsy mijanona ho fahasitrana ara-batana fotsiny anefa fa miampita amin’ny ara-panahy satria ny finoana ananan’ireo manatona sy mila vonjy Aminy no ambaran’i Jesoa hoe: “nahavonjy azy ireo”.

Jaïra eto no maneho ny finoany ary matoky fa rahefa hametrahan’i Jesoa ny tanany ny zanany vavy dia ho sitrana. Ary izay finoana efa ao aminy izany no mbola hamafisin’i Jesoa ilazany hoe: “Aza matahotra fa minoa fotsiny ihany” ary dia sitrana soa aman-tsara razazavavy.

Toy izany koa ity vehivavy nitsi-dra nadritra ny taona maro, nino sy nahatoky fa na dia “ny fitafian’i Jesoa ihany aza voakasikasiny dia ho sitrana izy”.  Ka dia ritra niaraka tamin’izay ny loharanon’aretiny.

Ireo tantara roa ireo no entina ilazana amintsika fa ny maha Mpamonjy an’i Jesoa Kristy dia tsy mijanona fotsiny amin’ny ara-nofo fa mifototra indrindra amin’ny ara-panahy dia ny hahavelona antsika ao amin’Andriamanitra. Ny hanafaka antsika amin’ireo sakana maro tsy afahantsika manatona an’Andriamanitra no isehoan’ny Maha Mpamonjy Azy, ary izany indrindra no ambaran’ireo aretina roa nositraniny tamin’ny Evanjely norenesintsika teo.

Enga anie mba ny tena havelona antsika ara-panahy ao amin’Andriamanitra no hanentana antsika amin’ireny fanehoam-pinoana ataontsika ireny, mba hahazoantsika ny famonjeny entin’i Kristy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...