Sabotsy 11 jona 2022 — Herinandro fahafolo mandavantaona — Araikao amin’ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 33-37

Mitohy ihany ny fampianaran’i Jesoa tany an-tendrombohitra. Eto izao mahakasika ny fianianana. Voasoratra ny hoe : "Aza mianiana tsy to, fa efao amin’ny Tompo ny fianiananao" fa ahitsin’i Jesoa tsy hianiana amin’ny lanitra na amin’ny tany na amin’i Jerosalema, renivohi-paritany tamin’izany, na amin’ny tena akory fa ampy ny manao hoe "eny", dia "eny" ; "tsia", dia "tsia" ; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ilay ratsy. Misy mantsy tsy mahatoky tena ka tsy maintsy miantehitra amin’izatsy sy zaroa rehefa manao zavatra na miteny. Hany ka ampiana kely na be, miaraka amin’ny fihetsika, ho fanamafisana ny teny tenenina mba hampanaiky ny hafa na ny manodidina ? Aza ampidirina amin’ny afera maloto ataontsika Andriamanitra fa mamatotra antsika izany. Toy izany koa ny tany fa fandiavan-tongotra sy mbola hanototra antsika ka mety hampidi-doza antsika ihany koa. Eny, hatramin’ny tenantsika aza, tsy ilaina atao hianianana hanamafisana ny tenintsika satria tempolin’Andriamanitra ny vatantsika ka masina sy malalany. Ny an’ny sasany aza moa teny ratsy no anampiana azy. Vao mainka mamohehitra. Misy koa aza moa mianiana tsy hanamafisana ny teny fa anarontsaronana ny ratsy atao fa mba hieken’ny hafa fotsiny hoe marina ny lazaina kanefa inona akory no eo ? Ny mifanohitra amin’izany no atao. Diniho fotsiny ny an’ny mpivarotra : lazaina fa tsy mbola nahalafo na koa hoe tsy misy tombony fa mba te hahazo tombony ambony kokoa no ilazana an’izao atsanga tsy aman’orana izao. Soa fa tsy ny mpivarotra rehetra no manao an’izany fa misy tena milaza ny marina mihitsy. Ny "eny" tsy ho "tsia" ary ny "tsia" tsy ho "eny" izany. Tsy misy eto ny marimaritra iraisana. Ny lela may sy ny andro ririnina toy izao no mivadibadika. Mazava ny tenin’i Kristy amintsika izao : "Aoka ny teninareo ho eny, dia eny ; tsia, dia tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ilay ratsy". Sa tiana hanjaka ny ratsy ? Aoka ho marina tsara ny teny ataontsika mba ho marina amin’ny hafa koa. Tsy ilàna hamafisina amin’ny fianianana izany fa fantatra amin’ny atao ihany. Ho kobokobonin’ny marina eo ka hibaradaka tsy anontaniana avy eo. Manamaizina ny fiainantsika ny fanaovana izany ka tandremo. Aza avela ho matroka izay efa nazavain’ny Batemy sy ireo sakramenta efa nirosoana. Aza takotakonana amin’ny andraikitra raisina ny hadalana miaro tsinjaka fa mamohehitra.

Araka izany, mila folahina na fehezina tsara koa ny vava mba tsy hiteniteny foana. Ny vava mitsaontsaona mantsy mampiditra angano matetika, toy ny afo io ka kely foana dia mety handoro vohitra midadasika. Ny teny toy ny salaka ka ny tompony ihany no afatony ka tandremo. Vao avy nivoaka tamin’ny fankalazana ny Paka isika nandritra ny 50 andro be izao, ka efa nandresy toa an’i Kristy ve sa mbola ao anatin’izany karazana haizina rehetra izany, dia hiandry rahoviana vao hiova ? Aza andrasana andro ny fibebahana fa aoka isika ho mpandresy toa Azy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 nôvambra 2024

  • Samy nanana ny nanamarihana ny Andro maneratan-tany ho an'ny Tanora ny isan-diôsezy, ny isan-distrika ary ny isam-paroasy, omaly Alahadin'i Kristy Mpanjaka...
  • Manao ezaka ho fanatsararana ny kalitaon'ny fanabeazana omena ireo zanaky ny Fiangonana manovo fanabeazana eny amin'ny Sekoly Katôlika ny eto Mdagasikara sy ny any amin'ny Diôsezy. Isan'izany ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Mitoetra ao amin'ny teny marina sy mandaitra ny fahefana maha Mpanjaka an'i Jesoa, hoy ny Papa François tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus, ny alahady 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...