Zoma 10 jona 2022 — Herinandro fahafolo mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 27-32

Mitohy eto ny fampianaran’i Jesoa tany an-tendrombohitra. Eto kosa indray dia mikasika ny fahadiovana ka tsy amin’ny atao ihany no mety mahadiso fa amin’ny fihetsika sy fijery aza mety mahalavo koa. Aoka tsy ho tapatapahina ny tenin’Andriamanitra ka amboamboarina amin’izay mahasoa ny tena fa aoka ho dinihina lalina ka ambara mazava izay tiany ho lazaina : tsy hoe mijery vehivavy fotsiny no lazain’i Jesoa fa hoe : "Izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy, dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady". Raha tsy izany tsy azo jerena izany ny vehivavy. Kanefa tsy izany fa misy tohiny mazava. Aoka tsy ho handevozin’ny filan-dratsin’ny nofo isika ka hanaonao foana. Aza avela ho baikon’ny fitsiriritana e, fa efa zava-doza sahady izany. Tsy nofo fotsiny mantsy isika fa saina, vatana, fanahy ka afaka mandinika sy misaintsaina tsara izay atao. Tsy izay faniriana rehetra akory dia tanterahina fa azo fehezina mihitsy izany. Manoatra lavitra noho izany no tsara aniriana ny lanitra. Raha mahabanjina izany isika dia ho voatohitra ny fanirian’ny nofo na koa hoe ahodina hiandrandrana ny lanitra izany. Efa ota sahady ny fanirian-dratsy, araka ity voalazan’i Jesoa ity. Ka aza atao mibahana amin’ny fiainana ny ratsy fa mba aoka hanenika azy ny tsara. Tsy ilaina ny miliba amin’ny fanaranam-batana fa manimba sy mamotika ny fanahy izany. Azo atao koa hoe aza avela hibahana amin’ny fiainana ny maha biby na izay itovizantsika amin’ny biby fa ambony kokoa noho ireny isika satria manana saina, fo, fanahy ka azo fehezina tsara izany. Aiza ka misy ny mifamototra, ny manolana zaza tsy ampy taona sy ny herisetra ara-pananahana mamofady rehetra izao, vita avokoa. Misy aza mifoka zava-mahadomelina ahafahana miliba amin’izany ka tonga tsy tompon’ny tenany intsony. Zava-mamohehitra izany rehetra izany ka alaviro im-pito mandifotr’olona fa loza.

Tohizina ihany ny Evanjely, ka ny hoe "esory" eto dia azo adika hoe "fehezo" Izany hoe : tsy voatery hoe alàna amin’ny vatana izany fa kosa hay ny mifehy azy, dia ireo fandrenesana rehetra, ny vatana manontolo. Ilaina sy mahasoa ny mifehy tena amin’ny fiainana manontolo fa tsy omena fahafaham-po amin’izay tadiaviny.

Toy izany koa ho an’izay efa nandray ny sakramentan’ny mariazy aoka tsy hisaraka intsony satria efa nakamban’Andriamanitra. Indrisy anefa, firifiry moa ankehitriny ny mahita akanga tsara soratra ka manary ny akoho taman-trano, hany ka misaraka, na mitady izay hanariana azy. Ka tsy mandraharaha na tokantrano maso aza avy eo. Lasa an-tendro-molotra fotsiny ny hoe : "tsy hisaraka aminao na inon-kidoana na inon-kihatra" fa vao tsy malazo akory ny ravina nihinanana dia efa olon-kafa no taritina sy iaraha-monina. Toa manjary fombafomba ny sakramentan’ny mariazy fa tsy iainana akory, ny rentirenty ety ivelany no mahamaika fa tsy ny hevitra lalina ambarany. Mety ho izany koa no mahatonga ny sasany tsy hiroso fa hoe aiza no hahitana vola be hanaovana an’ireny rehetra ireny. Ao moa ny mikambakambana avy hatrany tsy te hiroso handray sakramenta kanefa tsy misy antony inona akory. Misy amin’izy ireny ny manao ampitso ampitso lava ka tsy vita mihitsy hatramin’ny farany. Ary ny loza dia maty anatin’ny toe-pahotana, tsy nahazo pretra akory ! Loza, loza, loza ! Hafa ihany ny tokantrano voatsodranon’Andriamanitra e. Aza omena hirika ny demony fa satriny aza tsy ho vita mihitsy io mba hanjakany. Miaraka amin’Andriamanitra aza sahirana ; mainka moa lavitra Azy ! Samy tsy mety avokoa na ny misaraka aorian’ny sakramentan’ny mariazy sy ny tokantrano maso. Betsaka ireo anefa ankehitriny.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 nôvambra 2024

  • Samy nanana ny nanamarihana ny Andro maneratan-tany ho an'ny Tanora ny isan-diôsezy, ny isan-distrika ary ny isam-paroasy, omaly Alahadin'i Kristy Mpanjaka...
  • Manao ezaka ho fanatsararana ny kalitaon'ny fanabeazana omena ireo zanaky ny Fiangonana manovo fanabeazana eny amin'ny Sekoly Katôlika ny eto Mdagasikara sy ny any amin'ny Diôsezy. Isan'izany ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Mitoetra ao amin'ny teny marina sy mandaitra ny fahefana maha Mpanjaka an'i Jesoa, hoy ny Papa François tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus, ny alahady 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...