Sabotsy  4 jona 2022 — Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Hirahiko ho eo aminareo ny Fanahin’ny Fahamarinana, hoy ny Tompo; Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 21, 20-25

Niaiky ny tsy fahaizany mitia an’i Jesoa i Simona Piera araka ny resatsika omaly, fa vonona tanteraka tokoa ny lehilahy anio. Vonona ny hiainga indray izy, vonona ny ho mpianatra, izany hoe, mangetaheta ny hanara-dia an’i Jesoa amin’i fomba vaovao izy. Toetra tokony hananan’ny mpianatr’i Kristy hatany izany, izany hoe mila miainga indray rehefa nahatsapa tena fa namadika an’i Kristy. Noho izany tsy mila ny hampitaha amin’ny hafa isika na oviana na oviana isika ka hanao tahaka ny nataon’i Piera hoe : "Tompoko, mba inona kosa no ho anjaran’ity ?". Manakana antsika tsy haheno ny antson’Andriamanitra izay miantso antsika isan’andro ny hanara-dia Azy izany voalohany indrindra avy eo manakorontana ny fo amam-panahintsika ihany koa satria voatery hanao fampitahana hatrany eo amin’ny fiainana.

[Miara-dàlana] Zoma 5 septambra 2025

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...