Zoma 3 jona 2022 — Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Mandehana, mampianara ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 21, 15-19

Maneho amintsika ny resadresaka nifanaovan’i Jesoa sy i Simona Piera ny Evanjely vao nohenointsika teo. Manambara amintsika ny fomban’Andriamanitra tsy azo visavisain’ny saina velively eo amin’ny fiainana ity resadresaka ity satria na dia teo aza ny famadihana nataon’i Piera an’i Jesoa narahany, i Jesoa kosa toa manontany hoe hatraiza ny fitiavan’i Simona Piera Azy.

Asehon’ity resadresaka ity ihany koa ny fiambonian’Andriamanitra sy ny halementsika olombelona. Tian’i Jesoa ho fantatra raha tena fitiavana ‘agapè’, na ilay fitiavana maimaim-poana izay mety hiafara amin’ny fahafoizan-tena ny fitiavan’i Piera Azy. Izany no votoatin’ireo fanontaniana roa voalohany. Fitiavan’ny mpisakaiza kosa no namalian’i Simona Piera ilay fanontaniana.

Niezaka nidina indray àry Jesoa ka nanontany an’i Piera raha tena fitiava-namana tokoa ny fitiavan’i Piera Azy. Nahagaga fa tsy niteny sy tsy nivolana i Piera fa vao mainka aza nalahelo. Fa nahoana àry ?

Fa satria tian’i Jesoa haneho fanetren-tena izy ka hilaza fa tena tia marina tokoa. Niaiky ny tsy fahampiam-pitiavana an’i Jesoa i Piera : "Ianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko, ka fantatrao fa tiako Ianao". Miainga indrindra avy amin’io valintenin’i Piera io no nanomezan’i Jesoa azy andraikitra lehibe dia ny fifikirana amin’i Jesoa hatrany sy ny fikolokoloana ireo andianondrin’Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...