Alarobia 1 jona 2022 — Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Ny Fanahy Masina no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, hoy ny Tompo, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 17, 11b-19

Ao anatin’ny fiomanana amin’ny fidinanan’ny Fanahy Masina indrindra no anasan’ny Fiangonana antsika an’ity vavaka nataon’i Jesoa Kristy ho an’ireo mpianany. Manambara ny toetra mampiavaka ny mpianany miandry ny Fanahy Masina hidina ao amin’ny fiainany io vavaka nataon’i Jesoa Kristy io.

"Ray masina ô, tahirizo amin’ny anaranao izay nomenao Ahy". Tamin’ny anaran’Andriamanitra avokoa no nanaovan’i Jesoa ny zava-drehetra ary naneho hatrany ny anaran’Andriamanitra Rainy Izy. Tokony ho io anaran’Andriamanitra io no ahafantarana ireo mpianany, ary noho io anarana io indrindra no hampahatonga azy ireo ho mpandresy manoloana ny karazam-panenjehana sy fankahalana isan-karazany. Fototra iorenan’ny fiombonana ihany koa io anaran’Andriamanitra io sady manambara fa an’Andriamanitra ny mpianatra satria mitondra ny anaran’Andriamanitra.

"… mba ho iray tahaka antsika izy". Miankina be dia be amin’ny fahaizantsika miombona aina no hampahomby ny asam-pitoriantsika ny Vaovao Mahafaly ary hampanaitra ny hafa ny fijoroantsika ho vavolombelon’i Kristy.

"… mba hananan’izy ireo ny hafaliako tanteraka ao aminy". Mila hafaliana tanteraka ny mpianantr’i Kristy satria ho mafy tokoa ny fiantraikan’ny fanenjehana sy ny fankahalan’ny olona azy ireo, izay mety hiteraka fahakiviana sy alahelo.

"Tsy ny henesoranao azy amin’izao tontolo izao no angatahiko, fa ny hiarovanao azy amin’ilay Ratsy". Alaim-panahy handositra an’izao tontolo izao isika kristianina indraindray na koa te hanorina tontolo araka ny saintsika sy ny mifanaraka amintsika. Tsy ny handosirantsika an’izao tontolo izao anefa no tian’i Jesoa hataontsika fa ny fiaintsika ao anatiny fa izany no ahafahantsika manova azy hifanaraka amin’ireo soatoavin’ny Evanjely. Mivavaka ho antsika i Jesoa mba tsy ho babon’ilay Ratsy isika ka hanaraka ny toetsain’izao tontolo izao.

"… hamasino amin’ny fahamarinanao izy ireo. Ny teninao no fahamarinana ». Mila manome anjara toerana manokana ny fahamarinana isika raha tsy te hisaraka mandrakariva amin’Andriamanitra ary amin’alalan’ny fahaizantsika mandray ny Tenin’Andriamanitra no endrika anehoantsika an’izany fiainana ny fahamarinana izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 jolay 2024

♦ Hotontosaina any amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana amin'ny volana aogositra 2024, ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly... ♦ Efa ao anatin'ny fahavononana tanteraka handray ireo vahiny avy amin'ny Diôsezy manerana an'ny Madagasikara, ny Diôsezin'i Maintirano, mandritra ny fanamasinana ho Eveka any Mgr Rakotohasimbola Clément Herizo, amin'ny 14 jolay 2024... ♦ Masera enina mirahavavy, avy amin'ny fikambanana Sœurs Missionnaires de l'Évangile, no nanonona ny voady mandrakizay, tao amin'ny EKAR Masindahy Joseph Vinaninkarena, Diôsezin'Antsirabe...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...