Sabotsy 21 mey 2022 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona; ary hiditra amin’ny voninahiny — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 18-21

Noho ianareo tsy olon’izao tontolo izao dia ho halan’izao tontolo izao ianareo. Efa nampiomanin’i Jesoa isika izay manara-dia azy, fa toe-tsain’izao tontolo izao dia tsy mitovy amin’ny toe-tsain’ny krisitianina. Satria ny toe-tsaina manentana an’izao tontolo izao dia mifototra amin’ny fitadiavana tombontsoa, fitadiavana ny soa ho an’ny tena manokana, amin’ny fomba rehetra mety hahitana tombony, eny hatramin’ny kolikoly aza. Fa ny toe-tsaina tokony hananan’izay manara-dia an’i Kristy kosa dia mifotra amin’ny atao hoe fitiavana ny hafa, mikaroka ny soa ho an’ny rehetra. Ireo toe-tsaina ireo dia mifanohitra tanteraka, ka izany no nitenenan’i Jesoa tamintsika teo : ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony. Raha nenjehany aho dia hohenjehany koa ianareo.

Ny finoana hananantsika kristianina dia misedra olana mandrakariva satria finoana velona tokoa. Ny kristianina tena miaina ny finoany mantsy dia voaenjika sy ankahalaina mandrakariva satria manambara ny marina, hany ka na dia ao anatiny fianakavina aza, ohatra velona hitatsika eny amin’ny fiaraha-monina eny ny ady lova, ka ny mampiady matetika dia ny mbola fanana ity toe-tsain’izao tontolo izao, samy mitady ny tombontsoa ho an’ny tenany manokana fa tsy mifampitsinjo sy tsy mifangoraka.

Mila finoana lalina tokoa isika manoloana ny toe-tsaina samy maka ho azy ankehitriny mba hahafahantsika mamonjy ireo rehetra tratran’ny tsindry hazo lena eo amin’ny fiaraha-monina. Koa mangataha àry isan’andro ny fahasoavan’i Kristy nitsangan-ko velona hahafahana mijoro amin’ny marina mandrakariva na dia eo àry ny mety ho fanenjehana sy fankahalana amin’ny endriny samihafa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...