Sabotsy 20 mey 2022 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho, no fantany koa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 12-17
Ny andidiako anareo dia ny hifankatiavanareo. Zavatra takian’i Kristy amintsika dia tsy hoe zavatra na adidy tsy afaka tanterahana fa fangatahana hiaina tena ny fitiavana marina araka ny niainany azy. Raha manatanteraka izany isika dia azo antsoina hoe sakaiza fa tsy manompo intsony, satria miaiana ny fombam-piainany ka mahalala ny momba azy tanteraka. Ny maha izy azy an’i Kristy dia ny fitiavany ny Rainy tamin’ny alalan’ny fanatanterahana ny sitrapony, anisan’izany ny nanolorany ny ainy ho famonjena antsika, fara fitiavana izany. Anisan’ny porofom-pitiavana lehibe ny fahafoizan-tena ho famonjena ny hafa na fanampiana ny hafa tahaka ny nataon’i Jesoa.
Fantantsika mantsy fa ny fitiavana nentin’i Kristy namonjy antsika dia fitiavana tsy misy tambiny. Ka ny hany andrasany amintsika ankehitriny dia ny fankatoavana izany fitiavana marina izany ka handray an’izany ho zary fiaianana isan’andro. Ahoana ary no hiainantsika izany amin’ny fiainana andavandro araka ity teniny farany izay miantefa amintsika eto ity : "mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo." Ny mitia marina dia ny mihevitra mandrakariva ny hahavonjy ny hafa sy ny tena, tsy mitady tombontsoa manokana fa mikaroka ny mahasoa ny rehetra, mitodika amin’ny sahirana, mangoraka ny tra-pahoriana. Izany no nitiavin’i Jesoa antsika. Ny fitiavany dia tsy nijery sarangan’olona fa nisokatra tamin’izay rehetra nila famonjena. Mangataha àry isika amin’ny Fo Masin’i Jesoa mba ho haintsika ny mandray ny fitiavan’ny Ray ao am-pontsika tahaka an’i Kristy ary hovonona hampihatra an’izany eo amin’ny fiainantsika isan’andro.