Alakamisy 19 mey 2022 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Fantatsika fa nitsangan-ko velona marina tokoa i Kristy. Ianao, ry Mpanjaka nandresy, mamindrà fo aminay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 9-11
Raha mitandrina ny didiko ianareo no hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany. Ny didy nomen’i Jesoa antsika dia didim-pitiavana. Nataony io didy io tsy hoe hanarahany maso antsika na hanadevozany antsika, fa natolony izany didim-pitiavany izany ho lalana mitondra antsika makany amin’ny tena fahasambarana marina. Ny faniriany dia ny hoe hitoetra ao amintsika ny fifalainy ary mba ho lavorary ny fifaliantsika, dia ilay fifaliana mitoetra maharitra mandrakizay.
I Kristy no modelintsika tamin’ny fanatanterahna ny sitrapon’ny Rainy, araka ny teniny teo hoe "tahaka nitiavan’ny Rainy azy no itiavany antsika." Isika ihany koa, tahaka ny nitiavan’i Kristy antsika, izay nanolotra ny ainy ho antsika, no tokony hifankatiavantsika koa. Ny tanjon’i Jesoa amin’ny fifankatiavana misy eo amintsika dia ny hahasambatra antsika sahady dieny ankehitriny. Ny handavorary ny hafaliantsika no faniriny, dia isika hiadam-pinaritra mandrakizay. Isika miara-mitoetra amin’Andriamanitra anefa no ahafahantsika migoka sahady dieny izao izany hafaliana lehibe izany. Kanefa tsy misy lalan-kafa ahafahantsika mitoetra miaraka amin’ny Andriamanitra raha tsy amin’ny alalan’ny fitiavana ihany. Dia tsy inona izany fa ny fahaizantsika mitia ny manodidina, ny mangoraka ny ory sy mankahery ny rera-tsaina. Ny fanatanterahantsika izany dia efa maneho fa miara-monina amin’Andriamanitra tokoa isika. Mifampivavaha àry isika rehetra, mba ho ny fifankatiavana tokoa no hanjaka eo amin’izao tontolo izao, indrindra fa amin’izao vanin’andro diavintsika izao.