Alarobia 18 mey 2022 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 1-8

Raha tsy izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo. Miteny amintsika fanoharana i Jesoa : izy no fotoboaloboka ary isika no sampana. Mazava be àry fa izay sampana tsy miray amin’ny fototra dia tsy mamokatra. Ity fanoharana ity dia entin’i Jesoa hampianarana antsika fa mila miombona aina aminy isika. Izy hitoetra ao amintsika ary isika hitoetra ao aminy. Ao aminy no hampamokatra be ny fiainantsika. Isika sampana dia tokony miankin-doha amin’izy fototra manome ny aina mahavelona. Ka izay misaraka aminy dia tsy hahavita na inona na iona eo amin’ny fiainany.

Ny torohevitra omen’i Kristy antsika dia ny fiombonana aminy. Ka ny hany angatahantsika aminy isan’nandro dia ny hitomboan’izany fifandraisana lalina aminy izany, amin’izany ny fiainantsika no hamokatra be. Koa ny fitokisantsika azy no hahazoantsika ny dikan’ny hoe izy mitoetra ao amintsika moa isika mitoetra ao aminy. Izany hoe ny ain’i Kristy no mikorina ao amintsika. Ka raha tsy misy io ain’i Kristy io dia maty isika satria tsy miray amin’ilay aina mamelona. Jesoa Kritsy ô, tsilovy amin’ny Fanahinao Masina izahay mba ahafahanay mitia anao sy miray aina aminao ka hanome vokatra tsara ho an’ny hafa ny fiainanay, mba ho voninahitr’Andriamanitra Ray. Satria hoy ianao hoe : ho voninahitra ho an’ny Raiko raha mamoa be ianareo sy tonga mpianatro.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...