Zoma 13 mey 2022 — Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony, tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 1-6

Tandindonim-pisarahana ny mpianatr’i Jesoa ka malahelo sy mitebiteby ; fa vao mainka mapitebiteby lavitra noho izany fisarahana ara-batana izany ny hoe mbola ho tafahaona any amin’ny mandrakizay ve. Eo indrindra i Jesoa no mampitraka azy ireo hoe : tena misy ny lanitra, tena misy ny fiainana mandrakizay ; ka rehefa tapitra ny eto an-tany dia fonenana any an-tranon’ny Ray ; ary izy Kristy mihitsy no manomana izany ho an’izay rehetra mino azy. Ny atao hoe finoana dia fitokisana fa marina Andriamanitra mamonjy.

Mety tsy ho tonga vetivety amin’ny finoana ny olona rehetra. Na ny efa mino aza mety holalovan-drahona ny finoana ka hisalasala tampoka. Fampianaran’ireo olomasina zokintsika amin’ny finoana dia hoe : amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-mitranga rehetra dia antsoy lalandava ny anaran’i Jesoa Kristy.

Fanambarana lehibe iray ity lazain’i Jesoa eto : "Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako". Izay no vokatry ny safidy, izay no hiafaran’ny finoana : izay misafidy miaraka Aminy eto an-tany dia hiaraka Aminy hatrany amin’ny mandrakizay. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...