Talata 10 mey 2022 — Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, fantatro izy ary manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 10, 22-30

Ry kristianina havana ; ity Evanjely ity no faratampon’ny fifandiran’i Jesoa, ilazany fa "Izy sy ny Ray dia iray ihany" ; mandà mafy izany nefa ny Jody ; fitenenan-dratsy an’Andriamanitra no fandraisan’izy ireo izany. Tsy hitan’izy ireo tao amin’i Jesoa mihitsy manko ilay Mesia andrasan’izy ireo. Efa manambara an’i Jesoa rahateo ny asany. Saingy samy manana ny heviny ny tsirairay eo anatrehan’izany.

Ny fetin’ny fitokanana voalaza eto dia fahatsiarovana ny nanadiovana ny Tempoly izay nolotoin’i Antiôkosa Epifana, fanadiovana notarihan’i Jodasa Makabeo (1 Makabeo 4, 36-59). Toa te hilaza i Jesoa hoe mila diovina ilay fijery taloha, mila avaozina ilay olona taloha mba ho tonga vaovao, ho afa-doto ka ho mendrika an’Andriamanitra.

Azo lazaina fa faratampony amin’ny fanambaran’i Jesoa Kristy ny hoe "Izaho sy ny Ray dia iray ihany". Samy maniry ihaona amin’Andriamanitra ivavahany ny manan-tsaina rehetra. Io àry i Jesoa Andriamanitra. Noho ny Fanahy Masina dia zanaky ny Ray ao amin’i Jesoa zanany isika tamin’ny Batemy ary tonga iray tena amin’i Jesoa amin’ny Eokaristia. Manana ny ain’Andriamanitra koa izany isika. Izay rahateo no vokatry ny Paka : nandresy i Kristy mba hahavelona antsika miaraka aminy. Tano am-pontsika izany fahasoavana mahavonjy izany. Amen.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...