Alatsinainy 9 mey 2022 — Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 10, 1-10

Nankalaza an’i Kristy Mpiandry ondry tsara isika omaly alahady fahefatra amin’ny Paka. Nilaza i Jesoa hoe Izaho no Mpiandry ondry tsara ; anio kosa Izy milaza hoe Izaho no varavaran’ny ondry. Fanambarana lehibe hatrany satria ilay andavan’androm-piainan’ny olona no entiny mampianatra. Lalana azo antoka hidirana ary lalana tokana hidirana ao an-trano ny varavarana. Ny tian’i Jesoa hambara izany eto dia hoe Mpanalalana tokana Izy ; tsy misy anaran-kafa ahazoana famonjena, hoy ny apostoly.

Fampiharana voalohany amin’ny fiainantsika : ny adidin’izay rehetra manana andraikitra ato amin’ny Eglizy indrindra ny mitondra ny olona hanatona an’i Kristy varavaran’ny fiainana, tsy ho toy ny jiolahy mpangalatra ka handroba fa hanangona izay miahaka hankeo amin’Izy Mpiandry ondry tokana.

Fampiharana faharoa : isika andian’ondry kosa aoka hanaraka an’i Kristy, tsy hanaraka olona na hevitra hafa na zavatra hafa. Izy no lalana marina mankany amin’ny fiainana. Na sanatria aza ka diso lalana, nania, nisintaka lavitra azy dia hiverina malaky satria ny sitrapony dia ny hananan’ny ondry fiainana sy hananany azy be dia be. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...