Zoma 6 mey 2022 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava, isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 53-60

Nifanditra ny Jody nanao hoe ataon’ilay io ahoana àry no fanome antsika ny nofony hohanina. Hamafisin’i Jesoa manoloana ireo misalasala fa tena fihinana ny nofony ary tena fisotro ny rany, vonona ho sakafontsika izy, ary lazainy mazava fa izay mihinana azy amin’ny Eokaristia no manana ny fiainana sy hatsangany amin’ny farandro.

Mazava loatra fa mila fahamendrehana ny mandray azy, hanina mila tsakoina tsara io fa tsy atao telimoka… tokony hisaintsaina mandrakariva izay hevitra fonosiny isika.

Ireo razantsika nihinana mana araky ny voalazan’i Jesoa nefa maty ihany ; nihinana ny maty izy ireo ka maty fa raha mihinana ny velona izy dia ho velona. Ireo sakafon’ny vatana hoanintsika amin’ny maha olombelona antsika dia efa maty avokoa na biby na zava-maniry azo hoanina fa tsy maintsy mila ny sakafo ara-panahy efa velona isika hamelona antsika mandrakizay, dia ny mofo velona nidina avy any an-danitra dia ny tenan’i Jesoa.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...