Alatsinainy 2 mey 2022 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nahita Ahy ianao ka mino, fa sambatra izay tsy nahita ka mino — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 22-29
Mitohy ny fitantaran’i Joany ao amin’ny Evanjeliny, ny vahoaka dia mbola nijanona teo amin’ny toerana namokisan’i Jesoa ny olona dimy arivo lahy. Nihevitra izy ireo fa haka azy atao mpanjaka nefa izy tsy niverina intsony, niafara teo ambonin’ny hazofijaliana, nofantsihana ho faty, avy eo lasa any amin’ny voninahitr’izy Rainy.
Mafonja ny hafatr’i Jesoa : miasà ianareo tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona fa ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia izay homen’ny Zanak’Olona anareo. Rehefa hitan’ny vahoaka nitady azy izy dia nampianatra sy miantso antsika mba tsy hitady ny mofo izay mbola ho levona. Ny harena ao amin’Andriamanitra no maharitra. Isika koa dia tokony mba hametraka fanontaniana toy ireo vahoaka ireo hanao hoe : inona àry no ataonay hiasanay ny asan’Andriamanitra. Ataoko fa tsy miova akory ny valintenin’i Jesoa : ny asan’Andriamanitra dia ny hinoanareo ilay nirahiny. Ny zanaka no afaka manome antsika io fiombonan’aina io, satria ao aminy no hahafahantsika ho tonga zanaka mpiray lova amin’ny fiainana, ka tsy misy afa-tsy ny finoana azy, izy ilay tenin’ny fiainana no hahasambatra antsika mandrakizay.
Mahaiza isika migoka ny hasambaran’ny fiainana omen’i Jesoa antsika, tiany hosantarintsika dieny ety an-tany amin’ny fihinanana ny mofo masina amin’ny komonio.