Zoma 22 aprily 2022 — Zoma amin'ny havaloandron'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 21, 1-14
Ity fisehoana fanintelony nisehoan'i Kristy tamin'ny mpianany ity, rehefa nitsangan-ko velona izy no manambara amintsika fa tsy mora tokoa ny mandresy lahatra ny amin'ny finoana, efa maro ihany ireo fomba nataon'i Kristy tamin'ny mpianany, nodinihintsika tamin'ity herinandro ity, nambaran'ireo manoratra ny Evanjely, nefa mbola izao ihany no zava-miseho. Tsy kivy anefa i Kristy fa mitady fomba sy tetika mandrakariva hampihaiky sy hampino ireto mpianany, toa niverina tamin'ny fanaony teo aloha fa tsy nanatanteraka ny iraka sy ny fijoroana ho vavolombelona izay efa nampanaovina azy ireo. Indro àry i Kristy fa tonga eo amoron-dranomasina nangoraka azy ireo izay tsy nahazo na inona na inona noho ny di-dohany ihany. Trangan-javatra mety mitranga amin'ny olombelona ihany ity mihatra amin'ny mpianatra ity : tsy misy vokany izay atao, fahakiviana no mitranga, "echec" tanteraka ny fiainana, indrindra moa ka rehefa tsy misy izay ny finoana. Tsy hoe nandatsa ireto mpianany anefa i Kristy raha nanontany azy ireo hoe : "Manan-kanina va ianareo anaka ?" fa te hanamafy sy hampahafantatra azy ireo izy fa tsy misy vokany tokoa ny fiainan-draolombelona raha tsy miaraka amin'Andriamanitra, hoy isika namarana ny fifampizarana omaly. I Kristy mihitsy àry eto, no milatsaka an-tsehatra nanampy azy ireo : "Alatsaho ao ankavanan'ny sambo kely àry ny haratonareo, fa hahazo inareo !" Mahagaga fa teny indraim-bava fotsiny no nataon'i Kristy dia nisy vokany ny asan'ireto mpianatra nefa izy efa azo lazaina hoe manana traikefa raha amin'ny fanaratoana. Izany tokoa ny fahefan'Andriamanitra, izy no mandidy ny zavatra rehetra fa tsy avy amin'ny herintsika na ny tanjatsika na ny fahaziantsika no hahombiazantsika fa avy aminy.
Koa manampy antsika àry ity fisehoana tantarain'i Masindahy Joany ity, indrindra amin'izao Paka izao, hahatsapana fa raha tsy miaraka amin'i Kristy nandresy, tafatsangana ho velona tokoa ny fiainantsika dia toa zava-poana ihany.