Alarobia 13 aprily 2022 — Alarobia Masina — Arahaba, ry Mpanjakanay, Ianao irery no niantra anay tamin’ny hadisoanay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 26, 14-25

Ry kristianina havana ! Mbola miverina ihany ny mahakasika an’i Jodasy raha ny voalazan’ny Vaovao Mahafaly norenesintsika teo. Mampahonena tokoa ny famadihana an’i Jesoa araka ny efa voalaza tamintsika omaly teto fa vokatry ny fitivantenantsika sy ny fankafizantsika ny zavatry ny tany no mety mahatonga izany. Mazava anefa ny voalazan’i Jesoa fa ny Zanak’Olona dia mandeha araka ny nanoratana Azy, kanefa loza ho an’izay hamadika Azy. Io lalan’ny fijaliana sy ny fahafatesana io no tsy maintsy nizoran’i Jesoa mba hahatanteraka ny famonjena antsika fa i Jodasy tokoa no nidiran’ny fanahy maloto ka niavaka tamin’ireo mpianany rehetra na dia samy nananana ny fahalemeny avy aza izy rehetra. Ny mahagaga eto dia na i Jodasy aza izay efa nivonona tamin’ny zavatra rehetra hanolorany ny mpampijaly an’i Jesoa dia mbola manontany an’i Jesoa ihany hoe moa izaho ve izany. Isika tokoa anie dia tena tsy mahatsapa akory indraindray ny tsy mety ataontsika e ! Moa mba manontany tena ve isika indraindray na mba iasan’ny Fanahin’Andriamnitra ihany ka hanana fahatsapan-tena fa diso eo anatrehan’ny eritreritsika na ny ataontsika ?

Saro-tiavina mantsy isika olombelona indraindray ka tsy mahay mamaly ny soa ataon’Andriamanitra antsika. Efa fitiavana faratampony no omen’Andriamanitra antsika amin’ny nanolorany ny Zanany fa mbola sahintsika foana ny mivadika amin’izany fitiavana mihoa-pampana omen’Andriamanitra antsika izany. Isika no mpananatr’i Jesoa ankehitriny ka aoka ho tsapantsika fa isaky manao ny tsy marina isika na manao ratsy dia mpamadika tahaka an’i Jodasy. Miahy antsika zanany anefa Andriamanitra ary mahalala ny ilaintsika, koa mangataha isika mba homeny hery hanoherana ireny fakam-panahy ireny ary mba hanana fitokiana azy tanteraka, toy ny zaza matoky ny rainy.

Jesoa Tompo ô ! Eo amin’ny fiainanay isan’andro, ampio izahay mba hahay handray am-pinoana sy am-pahatoniana izay rehetra mety ho fanenjehana anay amin’ny maha kristianina anay. Ampio indrindra koa tsy ho sodokan’ny zavatra tsy dia manao ahoana loatra ka mahatonga anay hamadika anao indraindray ! Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...