Sabotsy 9 aprily 2022 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra; amereno ny hafaliana avy amin’ny vonjinao — Evanjely Masina nosortan'i Masindahy Joany 11, 45-56

Ny fahagagana izay nataon’i Jesoa dia nampizara ireo olona. Betsaka no nino azy ary tao koa ireo izay nitatitra ny nataony tamin’ireo farisianina. Ireto farany izay niaraka tamin’ireo lehiben’ny mpisorona dia nitady hevitra izay hamonoana an’i Jesoa noho ny fananganany an’i Lazara tamin’ny maty sy ny fitoriany ny fitsanganan-ko velona. Fahafatesana izay notanterahan’izy ireo ihany taty aoriana.

Ny fahafatesan’i Jesoa dia nahitan’izy ireo tombontsoa ara-politika. Mety ho heverin’ny fanjakana romanina ho fikomiana mantsy ny habetsahan’ny olona manaraka an’i Jesoa ka nahatonga azy ireo hamono Azy. Fa ho antsika dia tombontsoa ara-panahy no azo tamin’ny nahafatesany dia ny "mba hamory ny zanak’Andriamanitra izay efa niely ho antokony iray". Izany hoe nitondra ny famonjena tsy ho an’ireo Jody izay nibebaka ihany fa ny olombelona rehetra mihitsy. Izay tokoa no mbola tohizin’ny Eglizy dia ny hahatonga ny olona rehetra ho zanak’Andriamanitra ary mba ao anaty valan’ondry.

Tokony ho tsaroantsika mandrakariva ihany koa anefa fa ny fahafatesan’i Jesoa dia efa fandaharan’izy Andriamanitra Ray mba hamonjena antsika rehetra. Noho ny fitiavana antsika olombelona mpanota no nanaovany an’izany. "Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany".

Tompo ô, lehibe tokoa ny fitiavanao anay noho ny nanomezanao ny ainao, ka ampio izahay mba hahay hifankatia ihany koa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...