Zoma 8 aprily 2022 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 10, 31-42

Ny fanambaran’i Jesoa ny tenany ho mitovy amin’Andriamanitra Ray dia tena nanafintohina an’ireo Jody ary nahatonga azy ireo saika hitora-bato Azy.

Nohamarin’i Jesoa anefa ny zavatra nolazainy tamin’ny filazany fa Izy ilay nohamasinin’ny Ray ary nirahiny tety ambonin’ny tany. Amin’ny lalàna Jody mantsy dia azo atao ho andriamanitra izay iantefan’ny tenin’Andriamanitra. Koa afaka nilaza ny tenany ho Zanak’Andriamanitra mitovy endrika amin’ny Andriamanitra Ray i Jesoa eto satria ao aminy no tanteraka ny tenin’Andriamanitra noho izy manatanteraka ny sitrapon’ny Ray.

Manoloana ny tsy finoan’izy ireo an’i Jesoa sy ny tsy fanekeny azy anefa dia tsy mba nanameloka azy ireo mihitsy. Fa nomeny lalana hafa dia ny mba hijeren’izy ireo ny asa izay nataony mba hinoany azy. Ny famantarana izay nataony tety ambonin’ny tany mantsy dia manambara fa miasa sy miombona ao amin’ilay Andriamanitra Rainy mandrakariva Izy. Rehefa tsy ao amintsika ny finoana an’i Jesoa, dia tsy hahafantatra na oviana na oviana ny tena momba azy mihitsy, toy ireto Jody ireto, isika. Amin’ny alalan’izay mantsy no hahafantarantsika fa izy no ilay Zanak’Andriamanitra izay nirahiny. Ny finoantsika kristianina àry, araka izany dia tsy tokony hiorina amin’ny fanaovan’i Jesoa famantarana fa amin’ny teny izay nolazainy nampitany tamin’ireo mpianany.

Tompo ô, ny herin’ny teninao anie hampitombo ny finoanay anao sy hanadio izay tsy mety ao anatinay ao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...