Alarobia 30 marsa 2022 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 5, 17-30

Ity Evanjely ity no anehoan’i Kristy ny fifandraisana sy fiombonana lalina misy ao aminy sy ny Ray. Anisan’izany ny asa ataony, izay asan’ny Ray ihany koa. Miasa Andriamanitra mba hahavonjy ny olombelona sy hiombonany fahasambarana aminy, araka ny nahariany azy hatrany am-piandohana.

Rava sy simba noho ny fahotana mantsy io fahasambarana teo amintsika olombelona io. Ka raha mbola misy koa ny atao hoe : mpanota, raha mbola misy koa ireo voatariky ny ratsy ary miaina ao anatin’ny fahotana dia miasa i Kristy.

Tsy misy afa-miteny hoe marina eo anatrehan’Andriamanitra isika fa mpanota avokoa, ary isika indrindra no iasan’i Kristy, satria tsy tiany ho very. Aza atao very maina ny asany. Miombona aminy ary manaraha azy fa ny nijaliany sy ny nahafatesany ary ny nitsanganany ho velona no nandreseny ny haratsiana sy ny fahotana ka nahazoantsika fiainam-baovao mahasambatra miaraka aminy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...