Alakamisy 24 marsa 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo; ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 14-23

Mahamaika ny demony mafy mihitsy ny hamotika antsika olombelona. Izany hoe ataony izay hahalavo, hahavoa antsika, hivarilavo toa azy mba ho namany sy ho azy mandrakizay. Potehiny ny maha isika antsika ! Eto izao ataony moana ity olona voalaza amin’ny Evanjely ity. Isan’ny mampiavaka ny olona iray ny teniny kanefa voasakana izany eto : tsy afa-miteny ilay olona. Eo amin’ny fiainantsika ihany koa mety ho tratran’izany isika ka iny mampiavaka antsika sy maha isika antsika iny no potehin’ny demony, tsy avelany hiseho mba tsy hahafahantsika mitraotra. Kanefa koa etsy andaniny misy ny mifanohitra amin’izany ka iny maha sangany antsika iny no ampiasainy ho fitaovana hamotehana. Samy ratsy ireo sehon-javatra roa ireo ka mila mitandrina isika. Aza omena hirika ny demony.

Izao anefa, hamonjy no antony nahatongavan’i Jesoa ka nafahany tamin’ny gejan’ny demony ity olona moana ity. Noreseny ny asan’ilay ratsy ka nanjary niteny ilay olona. Mahery Izy matoa mandresy toy izany, ambony lavitra. Izy Ilay hany azo ianteherana ka entintsika mandresy ihany koa. Koa aoka tsy hitoky aman’olon-kafa na zavatra hafa isika ; manodoka ireny sady mamitaka.

Eo anatrehan’ny soa toy izany, misy foana ny tsy faly, eo koa ny mialona ka mitady ny fomba rehetra hamotehana izay manao soa, toa ny nahazo an’i Jesoa. Izany tokoa, rehefa ratsy ny fifandraisana ka tonga amin’ny fankahalana dia izay rehetra lazain’ny ilany, hahitana tsininy avokoa, haratsiana foana ; eny fa na ny hahasoa azy aza, hany ka miteniteny foana indraindray. Tsarovy fa tsy mikatsaka afa-tsy ny ratsy Ilay ratsy ; fa ny soa kosa ho an’i Jesoa Mpamonjy. Eto izao, nendrikendrehana ho i Belzeboba lehiben’ny demony no androahan’i Jesoa ny demony. Izay tsy mitombina velively hany ka nahazo valin-kafatra taminy izay nilaza izany : "Raha ny rantsantanan’Andriamanitra no androahako ny demony, dia efa tonga aminareo tokoa ny fanjakan’Andriamanitra", hoy i Jesoa. Tian’i Jesoa aorina io fanjakan’Andriamanitra io ; kanefa maika handrodana izany ilay ratsy, fahavalon’Andriamanitra hatry ny ela. Mety ho fitaovana ampiasainy amin’izany isika olombelona. Soa fa tsy isika rehetra anefa no manao izany ; fa misy ihany ireo te hanitatra sy hampiroborobo izany hatrany.

Koa mahaiza re mijery ny tsara sy ny soa ataon’ny hafa, na kely aza, ka iny no velarina sy ifandraisana aminy, fa izany no fisainan’Andriamanitra. Fa aza malaky mitsara na manameloka toy ny hitantsika eto amin’ny Evanjely eto. Fa avy amin’ilay ratsy izany. Ny sasany kosa naka fanahy Azy ka nangataka famantarana avy any an-danitra taminy. Tsy hita mihitsy izay hiainana fa mitady fomba sy tetika handabohana an’i Jesoa foana. Mpijoko voajoko anefa izy ireo, mpivaro-drano tratra orana ka nataon’i Jesoa niala maina. Andriamanitra indray no alaina fanahy ! Misy amintsika anefa no toy izany ankehitriny ka mibebaha fa fotoana ialana amin’izany izao. Hoy i Jesoa hoe : "Izay tsy momba Ahy, dia manohitra Ahy, ary izay tsy miara-mamory amiko, dia manahaka." Ka asa izay hombantsika amin’izany.

Ampianaro izahay, ry Jesoa, tsy haka fanahy anao Andriamanitra, na hanome hirika ny demony, fa handresy ny asa ratsy rehetra ka hibebaka marina, indrindra amin’izao karemy izao. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...