Talata 22 marsa 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 21-35
Mampianatra antsika ny famelana i Jesoa ao amin’ny Evanjeliny amin’ity andro ity. Ka ny famelan’izy Andriamanitra, mitaky ny fifamelantsika aloha. Koa raha te hahazo izany famelana avy amin’Andriamanitra izany isika dia tsy maintsy vaindohan-draharahantsika mihitsy ny fifamelana amintsika samy isika. Izany hoe dingana iray tsy maintsy lalovana io fifamelana amintsika samy isika io raha te ho tonga amin’ny dingana manaraka isika, dia ny famelan’Andriamanitra. Araka izany, aza mandingan-tatatra sao mianjera na potraka. Aza manantena hahita valiny raha tsy efa nahefa izay notakiana alohan’ny rehetra. Azo lazaina koa hoe mifaningotra sy mifamatotra mafy ny fifamelantsika samy isika amin’ny famelan’Andriamanitra antsika ka tsy azo sarahina na atao samy maka ho azy na koa mandeha ila. Amin’izany : fifamelana tsy misy kajikajy, fifamelana tsy misy fetra, fifamelena feno, atosiky ny indra fo.
Etsy andanin’izany aza hadinoina fa mifaningotra aina ny famelana sy indra fo ka tsy azo sarahina koa, toy ny "écran" sy ny "imprimante" ary ny "unité centrale" amin’izay vao mahavita zavatra. Ny kiraron’ny Beminaha no mandeha ila fa tsy izany. Raha tsorina dia hoe : Mamela mba havela. Koa tsy maintsy mamela ny rahalahy na ny hafa amin’ny fo tokoa ; na dia sarotra aza izany. Tsy mampitakemotra anefa fa aoka hidirana. Tsy hoe sarotra dia atahorana fa tsy maintsy irosoana. Manana modely isika ka aoka hanahaka an’Andriamanitra mpamindra fo, izay niantso sy arahantsika. Tsy mahay mamindra fo izay manao fo lentika, ary sarotra ho an’ny mpankahala ny mamela, ka aoka tsy isika no ho tratran’izany.
Avelan’Andriamanitra foana isika raha manota ka miverina mifona Aminy. Ary isika samy isika koa tsara manahaka izany ataony izany, na manahirana aza. Tsara ananansika zanany izany toe-tsain’Andriamanitra izany. Fitiavana sy indra fo fotsiny ihany no ao amin’Andriamanitra. Andrasany amintsika ny fiverenantsika aminy ; na izany aza tsy afaka mandidy antsika Izy. Raha tsy mamela isika dia marary fa mitahiry lolom-po, ny hafa koa tsy mahazo famelana ; ka ho voa roa ohatran’ny dakam-boriky. Fa raha tena mamela amin’ny fo tokoa dia hisy fiadanam-po marina tokoa sady havelan’Andriamanitra ny hadisoantsika, ka aiza indray no hisy ohatran’izany ? Taon-jezika an-kady io ka aina no fetra. Izany hoe : ezaka ilofosana sy iadiana isan’andro, ka aza kivy mifamela re ! ‘Ndeha haverintsika am-pitokiana ny vavaka nampianarin’ny Tompo manao hoe : Rainay any an-danitra…