Alatsinainy 21 marsa 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Aza manamafy ny fonareo ianareo anio, aoka hihaino ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 24-30
Lazain’i Jesoa mazava amintsika amin’ity Evanjely ity fa tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy. Niharan’izany ny tenany. Mety ho antony, ny efa nifankazarana hatramin’ny ela, ny fifankafantarana, toy ny sokina mifankahita ka ahoana no hisy hisongadina fotsiny eo ! Indrisy anefa fa tsy tena fantany i Jesoa ka voa mafy ihany izy ireo. Tsy nisorona i Jesoa nanakiana azy ireo ny amin’izany, hany ka nahatezitra azy mafy izany. Tsy hoe tambatambazana mba tsy ho tezitra fa rehefa misy tsy mety dia adidy ny miteny ny hafa fa atao am-pitiavana izany. Koa aoka tsy hisorona isika.
Araka izany, tsy irahina eo amin’ny taniny ny mpaminany na ny mpandraharaha matetika fa any an-kafa, mba hampahomby kokoa ny iraka ataony. Tsy hialona amin’izany izay nihaviany. Aoka tsy hitory tena nefa izy amin’izany fa hitory teny, hamita sy hanatontosa ny iraka nampanaovina. Na izany na tsy izany, ny atao no mahatarika ka efa tena fitorian-teny tsara izany. Izany hoe : mitory amin’ny tena aloha alohan’ny itoriana amin’ny olona. Tsy miandry ho lavorary anefa vao hitory fa miezaka miandalana sy atao tsikelikely. Ny traikefa manampy hatrany. Amin’izany, ilaina ny fanaovana azy am-pitiavana, faharetana, faherezana, fifanajana, fifampitsimbinana, izay mifanohitra amin’ny fankahalana, fifanenjehana, fialonana, hakamoana. Izao koa anefa, tsy mitady tany malemy hanorenam-pangady, fa na hitrandraka tany vao, na hanamasaka tany lava volo na hanamainty molaly tany na hanabe voho ny efa lonaka dia tsy mifidy fa vonona hatrany na antanin’ny tena na an-tany hafa.
Tsy nahatanty ilazana ny marina ireto mpiray tanindrazana amin’i Jesoa tao amin’ny sinagoga ka tezitra sy nandroaka azy hiala tao. Zava-doza anefa izany satria manala an’Andriamanitra eo amin’ny fiainana sy mandroaka azy hiala ao an-tanàna, ka soloina olona na zavatra hafa Izy, eny hatramin’ny tena aza no asolo azy ! Tandremo fa rehefa miala Andriamanitra, misisika haingana ny demony, ka fahapotehana sy faharavana no vokany. Tany misy an’Andriamanitra aza sisihan’ny demony, mainka fa tany lavitra azy, vao mainka hanjakan’i Satana marina tokoa. Toy ny solosaina misy virus ka raha tsy misy antivirus na tsy vita mise-à-jour dia ho potika tanteraka. Aoka ny tenantsika, ny tokantrano, ny fiaraha-monina, ny fikambanana misy antsika mba hanjakan’Andriamanitra fa tsy ny ratsy ; amin’izay ho lavitry ny hasomparana.
Fitiavana : Andriamanitra izaho tia Anao amin’ny foko manontolo ambonin’ny zavatra rehetra, satria tsara indrindra Ianao, ka tokony ho tiana indrindra ; izaho tia ny namako tahaka ny tenako, noho ny fitiavako Anao.