Alatsinainy 16 desambra 2019 - Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo.
Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 23-27.
Tsy zavatra roa samy hafa akory izay nataon'i Joany Batsita sy i Jesoa, fa iray ihany dia ny fitoriana ny Fanjakan'Andriamanitra. Samy avy amin'Andriamanitra, saingy i Joany dia mpialoha làlana fotsiny ihany fa i Jesoa kosa no mpanatanteraka.

0 : 00

Koa izay mino sy mandray an'i Joany Batista ho Mpaminany dia mino sy matoky fa i Jesoa no Ilay Mesia nambarany fa ho avy, dia ilay maneho ny fahefana sy ny herin'Andriamanitra manavao ny zavatra rehetra amin'ny alalan'ny fampianarany sy ny asany feno fahefana.

 Ny mihevi-tena ho manana ny marina sy fatra-pisalasala, toa an'ireo lohandohan'ny mpisorona sy ny loholona, dia tsy ho afaka hino an'i Jesoa ho Mesia, satria manidy ny fony tsy handray ny fanavaozana sy ny marina ambarany hahatonga ny fanjakan'Andriamanitra. Noho izany, raha te hampitombo finoana an'i Kristy sy hahalala Azy bebe kokoa isika, dia mila mihaino ny Mpaminany, mila mandalina izay manambara Azy dia ny Soratra Masina, ary mila mifanerasera Aminy. Fa arakaraka ny halalantsika Azy no itomboan'ny fitiavantsika Azy koa.

Eto am-panomanana ny fahatongava'ny Tompi isika, toa an'ireo vahoaka voafidy fahiny: mangetaheta an'Andriamanitra, dia samy miezaka ho vonona handray Azy ao am-po ary hanaiky ho havaoziny mba ho mendrika Azy ny tenantsika sy ny asantsika ary mba ho fetim-pifaliana tanteraka ho antsika ny Noely.

Jesoa ô, tsy holavorary izay ataonay raha tsy hombanao, tsy hahavonjy anay ny zavatra rehetra raha tsy havaozina. Koa afaingano ny dianao ety aminay ary aza avela hatoky tena izahay fa ataovy maniry Anao hatrany.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...