Sabotsy 19 marsa 2022 — Masindahy Josefa, vadin'i Masina Maria Virjiny — Sambatra izay monina ao an-tranonao, ry Tompo, ka midera Anao mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 41-51a
Ny Evanjely mitantara an’i Jesoa roa ambin’ny folo taona ao an-Tempoly no atolotry ny Fiangonana amin’ny fankalazana ny fetin’i Masindahy Josefa izao. Ao anatin’izany no ahitana ny fandraisan’i Masindahy Josefa andraikitra maha ray azy amin’ny fanabeazana an’i Jesoa zazakely. Indro àry hojerentsika ireo toetra ahitana fahaiza-manabe nasehon’i Masindahy Josefa izay azontsika kristianina halain-tahaka amin’izao fotoana izao ho fanabezana ireo zanatsika :
Nentin’izy mivady tany an-Tempolin’i Jerosalema i Jesoa zazakely. Midika izany fa nozarin’izy mivady hihaona amin’Andriamanitra ity zanany, nozariny hahita tsirony amin’ny fihaonana amin’Andriamanitra. Lazainy fa izy mivady mihitsy no miaraka makany an-Tempoly manazatra an’ity zanany fa tsy i Maria reniny ihany akory. Firifry tokoa ankehitriny ireo raim-pianakaviana tsy mandeha mivavaka fa manokana fotoana hialana voly mandritra ny fotoana tokony hatokana ho an’Andriamanitra. Firifiry ireo raim-pianakaviana manankina ny fanabeazana ny zanany ara-pinoana amin-dramatoa na amin’olon-kafa toy ny mpampianatra katesizy. Isan’ny lesoka amin’ny fahabadoana ara-pinoana ankehitriny dia ny tsy fandraisan’ny raim-pianakaviana anjara amin’ny fanabeazana ara-pinoana ny zanany. Mila modely ny zaza fa tsy ampy fotsiny ny teny sy ny fananarana ary modely mandresy lahatra kokoa ny fahitan’ny zaza ny ray aman-dreniny miara-mivavaka.
Niara-nisahirana tamin’i Masina Maria nitady an’i Jesoa very hateloana ihany koa i Masindahy Josefa. Tsy vitan’ny hoe nisahirana fa nahatsapa fahabangana teo amin’ny fiainany rehefa tsy nahita an-janany izy. Misy tokoa raim-pianankaviana tsy miraharaha na eo ny zanany na tsy eo, ka raha manontany azy reniny hoe efa ela no tsy hita dia hoy izy ireo mamaly am-pahatsorana hoe : rehefa noana izy mahay miverina Raneny a ! Nasehon’i Masindahy Josefa etoana ny maha tompon’andraikitra azy eo amin’ny fitadiavana an-janany very.
Nanampy bebe kokoa an’i Josefa hisokatra bebe kokoa amin’ny adidin’ny ray aman-dreny ny valitenin’i Jesoa hita tao an-Tempoly. Nahatsapa i Masindahy Josefa fa mistery mandrakariva ny zanaka ary Andriamanitra irery no mamaritra ny antsony fa tsy isika ray aman-dreny akory no manoritra dieny izao ny asa fivelomana na ny làlam-piantsoana tsy maintsy hodiaviny.
Mila misaotra an’Andriamanitra àry isika, noho ny nanomezany an’ity olomasina ity ho modelin’ny ray aman-dreny rehetra eo amin’ny fanabezana sy ny fikolokoloana ny zanaka.