Alarobia 16 marsa 2022 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 20, 17-28

Asain’i Jesoa handinika ny antony mahatonga antsika ho kristianina isika araka ny Evanjely izay novakiana tamintsika teo. Mazava avy hatrany ny valintenintsika fa hoe : "noho ny faniriantsika hanara-dia an’i Kristy no antony maha kristianina antsika". Koa toy izao àry ny làlana tokony hizorana raha te hanara-dia an’i Kristy isika : mila mandray anjara amin’ny asa nanirahan’ny Ray Azy, dia ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly avy eo mila ny fandraisana anjara ihany koa amin’ny fahoriany sy ny fijaliany. Ireo ihany no nampanantenain’i Kristy antsika.

Indrisy anefa fa maro amintsika kristianina no manova izany làlana izany. Ao tokoa ireo nifindran’ny otrik’aretina nahazo an’ireo roa mirahalahy zanak’i Zebede ka mihevitra fa ny fanarahan-dia an’i Jesoa dia ny fandraisana anjara amin’ny voninahiny (hipetraka eo ankaviany sy eo ankavanany). Tsy fantatr’izy ireo fa miankina be dia be amin’Andriamanitra Ray izany valisoa izany. Koa asaina àry isika mianakavy mba hangataka amin’Andriamanitra ny fahasoavany hahafahantsika hiatrika ireo olana vokatry ny fanatanterahana ny asam-pitoriana fa tsy handinika sahady ilay valin-kasasarana avy hatrany.

[Miara-dàlana] Zoma 8 aogositra 2025

• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...