Alakamisy 3 marsa 2022 — Alakamisy manaraka ny lavenona — Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 22-25
"Izay hahafoy ny ainy noho ny amiko no hahavonjy azy." Ny fanarahan-dia an’i Kristy dia mitaky finiavana avy amintsika, hanarahana ny lalana nadalovany. Izay lalana nitondrany fijaliana fa niainy tamin’ny fo feno fandavan-tena. Ka noho izany, izay te hanara-dia sy haka tahaka ny fiainany dia mila manaraka ny lalana nadalovany.
Mazava ny tenin’i Kristy, fa izay manaraka diany dia hisedra fijaliana fa hahazo ny famonjena, ny fitsaganan-ko velona. Eto anivon’izao tontolo isika no atsoin’Andriamanitra hiaiana sy haneho ny maha mpianatr’i Kristy antsika. Mazava ho azy fa maro ny fakam-panahy sy ny olana izay manakona ny masontsika tsy hahita dia-tongotr’i Kristy izay arahantsika. Noho izany ny fiaintsika kristianina dia mitaky ezaka sy fandavana ny sitrapontsika isan’andro mba hahafahantsika manatanteraka marina ny sitrapon’Andriamanitra.
Ny fandavana ny sitrapontsika mantsy dia efa hazofijaliana lehibe zakaintsika isan’andro satria mitaky ezaka lehibe avy amintsika, ka handà ireo fahafinaretana sy ny filana madalo ihany mba hahafahana hikendry ilay fiainana tena maharitra. Ny fandavana ny sitrapo dia safidy lehibe horaisintsika ho fanajana ny sitrapon’Andriamanitra Ray sy ny famonjena ny fanahintsika.