Zoma 11 febroary 2022 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 31-37
Mbola any amin’ny faritanin’ny Jentily hatrany i Jesoa no manao fahagagana : manasitrana ity lehilahy iray izay moana sy marenina nentin’ny olona ity. Nahazo fankasitrahana izy ka hoy ny olona : "Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony". Miseho eto ny fanehoan’ny mpiara-belona an’i Jesoa. Izy no nanao ny zava-drehetra mendri-piderana. Izy no tsy nanao afa-tsy ny tsara sy nanao tsara ny zavatra nataony, amin’ny fomba tonga lafatra. Izy no olona manao ny zava-drehetra amin’ny fomba mendri-piderana, satria tsy nanao afa-tsy asa tsara izy ary mamita izay ataony. Tsy manao zavatra tapany amin’ny asa, ary tsy miandry fotoana mba hanatontosana zavatra iray.
Izany koa no takian’Andriamanitra amintsika mba hanao asa tsara sy lavorary tahaka an’i Jesoa. Ny fahasembanana : moana sy marenina, manjo an’ity lehilahy ity dia mariky ny tsy fahalavorariana eo amin’ny olombelona, mariky ny tsy fahatomombanana. Ny fahasitranana, izany hoe nahay niteny sy nandre dia mariky ny fahatomombanana. Miverina amin’ny fahalavorariana nanamboaran’Andriamanitra azy ny olombelona. Izy Andriamanitra irery ihany no mahatontosa izany ka tamin’ny alalan’ny Zanany no mbola miseho miharihary izany toetra sy fomba izany.
Fakam-panahy ho antsika olombelona matetika ny fisehosehoana. I Jesoa kosa mampianatra antsika ny fanaovana ny zavatra rehetra am-pahanginana. Nentiny nitokana ny vahoaka ilay lehilahy. Ary rahefa nitokana dia niandrandra ny lanitra, izay maneho fa tsy i Jesoa irery no manatanteraka ny asa fa miaraka amin’ny Ray. Ary nisento izy maneho amintsika ny fitalahoany lalina any amin’ny Rainy. I Jesoa mivavaka amin’ny heriny rehetra. Ary niteny Izy hoe "Efeta na Misokafa". Moana sy marenina ary tsy mpino no nentina teo aminy ho sitranina ka tsy ampy an’i Jesoa ny niteny fa nokasihiny ny sofina sy ny vava.
Ireto fihetsika nataon’i Jesoa no mbola hitantsika amin’ny fandraisana ireo ankizy hatao Batemy. Nentin’ireo namany teo amin’i Jesoa ilay moana sy marenina. Ny ankizy rahefa atao Batemy dia entin’ireo ray aman-dreniny atolotra ny Eglizy. Ny finoan’ireo ray aman-dreny no anekena ny fandraisana ny Batemy. Ity lehilahy tsy mahay miteny sy mandre ka ny finoan’ireo namany no nanampy azy hanatona an’i Jesoa. Manokana ny fahagagana miseho eto satria tsy tahaka ireo fahagagana hafa nataon’i Jesoa izay nampiseho mivantana ny finoany an’i Jesoa aloha vao nisy fahagagana.
Ry kristianina havana, ilaintsika ny mifanampy fa mahavonjy olona ny finoana izay ananantsika sy zaraintsika. Ary adidintsika mianakavy ny manao ezaka hitondra ny olona hanatona an’i Jesoa. Tsy sanatria ka ny fitondran-tenantsika no ho sakana tsy hahafahan’ny olona hanatona an’i Jesoa.
I Jesoa no afaka manavao antsika. Amin’ny alalan’ny sakramenta isika no lasa voaary vaovao ka mahazo ny aim-baovao, lasa olom-baovao. Lasa misokatra amin’ny hafa isika, izany hoe tsy misy sakana intsony ny fifandraisana satria afaka miteny sy mandre. Tanteraka amin’i Jesoa àry ny faminaniana nataon’i Izaia Mpaminany (Iz 35, 4ss) sy tanteraka toy izany koa ny fanantenan’ny mahantra, izay fampanantenana efa tamin’ny taonjato valo talohan’ny nahaterahan’i Jesoa fa Andriamanitra dia mitsinjo manokana ny mahantra, ireo voailikilika sy ireo voageja. Amen.