Alakamisy 10 febroary 2022 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 24-30
Mitohy hatrany ny asa soa amam-pahagagana ataon’i Jesoa, izay tsy mijanona teo amin’ny faritanin’ny Jody ihany fa nanatanterahany izany koa ireo firenena hafa manodidina. Asehon’i Jesoa fa ny famonjena dia tsimialonjafy fa natao ho an’ny olona rehetra. Asehon’ity Vaovao Mahafaly ity amintsika ny toe-po nentin’ity vehivavy sirofenisa izay tsy Jody ka sokajiana ho mpanompo sampy na tsy mpino na Jentily, nangataka tamin’i Jesoa mba handroaka ny demony amin’ny zanany vavy (Mk 7, 26).
Ny fanaintainana sy ny fitiavana dia mahatonga azy nitalaho mafy, tsy niraharaha ny mety ho fanamavoana, ny fahatezerana hihatra. Tsy nataony ho sakana teo amin’ny fangatahana ny fahasamihafana teo amin’ny fiaviana. Ary dia nandresy izy tamin’ny fikirizany, satria : "Nony tonga tany an-tranony izy, dia nahita ny zanany vavy nandry teo am-parafara fa efa nialan’ny demony" (Mk 7, 30).
Naneho finoana tamim-panentren-tena ity vehivavy fa afaka manatanteraka izany fanasitranana izany i Jesoa. "Marina izany tompoko, kanefa ny amboakely koa mba mihinana ny sombintsombin’ny mofon-jaza ao ambany latabatra ihany". Mino ity vehivavy fa ao amin’i Jesoa dia tsy misy fanavakavahana na Jody na Jentily. Mino izy fa ny potipoti-javatra vitsivitsy dia ampy hanasitranana ny zanany vavy. Nanetry tena amin’ny fiekeny fa ny Jody no laharam-pahamehana noho ny Jentily ary fantany fa mba ahazoana anjara amin’ny fahasoavana dia takiana aminy ny finoana sy ny fanantenana. Anisan’ny toe-po nananan’ity vehivavy ity ihany koa ny fahendrena sy ny faharetana satria tsy misy mahasakana ny fahavononany fa notohizany hatramin’ny farany ny tanjony.
Hoy i Masindahy Augustin fa maro ny olona tsy mahazo izay tadiaviny satria mety mangataka amin’ny fomba ratsy izy : tsy misy fikirizana ; na mangataka zavatra ratsy izay mety hanimba ny fanahiny na ny vatany na ny hafa.
Ohatra tsara ho antsika àry ity vehivavy Sirofenisa, mangataka zavatra tsara : "handroaka ny demony amin’ny zanany vavy" ary mangataka amin’ny fomba tsara : "niankohoka teo an-tongotr’i Jesoa". Ity ihany àry no fahagagana nataon’i Jesoa avy lavitra nefa tsy nanome baiko rahefa nahita ireo toe-pon’ity vehivavy.
Aoka àry isika tsy ho tratran’ny rivotr’izao tontolo izao te hahavita tena samirery, tsy manaiky ho ambanin’ny hafa, manandratra loatra ny fahalalinan-tsaina hany ka lasa sarotra ho antsika ny mino sy matoky an’Andriamanitra ho Tompo sy mahefa ny zavatra rehetra. Amen.