Zoma 21 janoary 2022 — Herinandro faharoa mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 13-19

Nifidy roa ambin’ny folo lahy i Jesoa mba hiaraka Aminy sy hanara-dia Azy akaikikaiky kokoa. Izay tiany no nantsoiny sy nofidiny. Ary ny antso dia tsy miaraka fa manokana, izay no nahatonga azy eto nantsoiny tamin’ny anarany tsirairay avy. Noho izany, tsy an-tery ny fanarahan-dia an’i Jesoa ho azy roa ambin’ny folo lahy fa an-kalalahana ny famaliana izany am-pitiavana izany. Samy manana ny toetra sy ny maha izy azy tsirairay avokoa izy ireo, nefa dia nampiombonin’i Jesoa tamin’ny fanarahan-dia Azy. Hita tokoa àry eto fa tsy misy ny fiombonana raha tsy misy ny fahasamihafana.

Ny antson’Andriamanitra ho azy ireo ary dia fanomezana avy any Aminy ihany ary mitaky asa. Mitohy hatrany izany antso izany ao amin’ny Eglizy amin’ny alalan’ireo pretra sy relijiozy. Antsoina izy ireo mba hiaina hiaraka amin’i Kristy amin’ny alalan’ny vavaka sy hitory ny tenin’Andriamanitra araka ny sehatra misy azy ireo tsirairay avy ary hitondra fanasitranana ho an’ny olona.

Olombelona tokoa àry araka izany no nofidin’i Jesoa mba hanohy ny asany ; olombelona manana ny heriny sy ny fahalemeny. Nefa ny fahasoavan’Andriamanitra dia manenika ny fiainan’izy ireo mandrakariva mba hamaliany ny antso miantefa aminy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...