Talata 21 janoary 2020 — Herinandro faharoa mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 23-28 — Raiso ny tenin'Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin'olombelona anefa fa araka ny marina tokoa, ho tenin'Andriamanitra.

0 : 00

Isan'ny maha mpivavaka ny olona ny fitandroana ny androm-pivavahany. Ny sabata ho an'ny Jody eto no miteraka adihevitra. Nandalo tanim-bary mantsy ny mpianatr'i Jesoa dia nioty salohim-bary ka nihinana satria noana. Voararan'ny lalàna izany satria mijinja vary, tsy manaja ny maha andro fitsaharana ny sabata. Tsy fitia te handika lalàna ny an'i Jesoa fa te hanavao fomba fijery sy fomba fiaina Izy. Tsy ny lalàna no tanjona fa ny aina, ny fiainana.

I Davida mpanjaka, izay sady razam-be no tandindon'i Kristy rahateo, dia efa nanao toa izany. Nandika lalàna kanefa tsy meloka, hitantsika ao amin'ny boky voalohan'i Samoela 21, 2-7, satria ny lalàna natao hamelomana fa tsy natao hamonoana. Natao hanafahana fa tsy hangejana. Ary satria tonga hanafaka ny Zanak'Olona, tonga hamelona fa tsy tonga hanameloka.

Ny sabata, andro alahady, andron'ny Tompo, dia andron'ny fiainana, andro famonjena sy fanavotana. Ka rehefa ny aina no voatohintohina, dia tsy maintsy ampandeferina aloha ny lalàna. Andeha àry hampitovy fijery amin'i Jesoa isika, hampitovy tanjona, ka ny aina hatao ambony, ary ny tena kendrena dia ny votoatin-javatra. Tsy ny aina amin'ny maha olombelona fotsiny ara-batana, fa indrindra ilay ain'Andriamanitra tsimoky ny mandrakizay.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...