Alahady 9 janoary 2022 — Ny Batemin'ny Tompo — Nisokatra ny lanitra, ary hoy ny feon'Andriamanitra Ray hoe : Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 3, 15-16. 21-22

Andro ankalazana ny Batemin'ny Tompo ity andro ity, araka ny Evanjely nambara tamintsika teo. Nanaiky hatao Batemy Ilay Zanak'Andriamanitra, hanehoany ankarihary ny fizakany ny manjo ny olombelona ary hanavotany azy amin'izany. Io no hevitry ny Batemin'i Jesoa, tandindon'ny batemintsika, hiombonantsika tanteraka amin'Ilay Zanak'Andriamanitra, nanaiky hijaly sy ho faty nefa nitsangan-ko velona, lalam-pamonjena nizorany, diavintsika rehetra ihany koa, mba hiverenantsika indray ao amin'Andriamanitra. Averin'Andriamanitra amin'ny hasina maha isika antsika, isika olombelona, atsangany ho zanany ao amin'Ilay Zanany tokana, mba hiara-mandova Aminy ny fiainana mandrakizay. Ny batemy no hiterahan'Andriamanitra antsika ho tonga olom-baovao navaozin'ny Fanahy Masina. Sady hahatsapantsika koa ny toerantsika ao am-pon'Andriamanitra : zanaka malala toa an'i Kristy.

Fomba ahoana no iainantsika ny batemy ? Fa sakramenta nanamarihana antsika voalohany io, manova ny maha isika antsika tanteraka ary manokatra ny fiainantsika hiampita any amin'ny mandrakizay. Fanomboham-piainana ny batemy fa tsy tanjona tratrarina, lalam-piainana vaovao havaozin'ny Fanahin'Andriamanitra, handresentsika ny ratsy sy hifikirantsika amin'ny zavatry ny lanitra. Meteza hiaina ny fiainam-baovao entin'i Kristy, tsy handeha araka ny nofo fa ara-panahy. Hanao toy ilay mpamosavy vita batemy : efa taloha izany.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...